Olona miisa 10 mahery indray no fantatra fa matin’ny Pesta aretin-tratra tany amin’ny distrikan’i Fenoarivobe, Faritra Bongolava andro vitsy lasa izay.
Nitondra fanazavana mifandraika amin’izany dokotera Fidy Bariniaina omaly ka nambarany fa mbola fotoana tena mampirongatra ny aretina pesta izao fotoam-pahavaratra izao. Manomboka ny volana Aogositra ka hatramin’ny volana Aprily no tena hisian’izany eto amintsika raha araka ny fanazavany ka ny fanaovana arovava orona toy ny ady amin’ny coronavirus sy ny ady amin’ny voalavo ihany no tena vahaolana tsara hahafahana mandresy izany. Nomarihiny moa fa avy amin’ny famadihan-drazana no mahatonga ny aretina pesta. Ireo olona matin’ny pesta navadika no mamoaka vovoka ary trohan’ilay olona velona no manaparitaka azy. Mikohoka iny olona iny avy eo ary mamoaka piti-drora sy rehoka mamindra izay mamindra amin’ny hafa. Kaikerin’ny parasy ihany koa iny olona iny ka ilay parasy indray no manaikitra olon-kafa avy eo, antony manaparitaka ity aretina ity ihany koa. Ny antony tsy maintsy hamonoana ny voalavo moa dia izy ireny afaka miditra any am-pasana ihany koa ka manaparitaka ny parasiny ety ivelany. Efa noraisina an-tanana avokoa moa ireo olona 10 mahery matin’ny pesta tany Fenoarivobe ireo ary efa nofendrahina fanafody sy nodiovina manokana ny tanana nisy azy ireo.
Pati
Legende : Dokotera Fidy Bariniaina manafatra hatrany ny rehetra mba hiady amin’ny voalavo !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.