Fahasalamana

Ady amin’ny Pesta Araha-maso akaiky ny any Miandranda - Arivonimamo


  • Alakamisy 09 Septambra 2021

Ho fanamafisana ny ady amin’ny valanaretina pesta dia nanantanteraka fidinana ifotony teo anivon’ny CSB Miandrandra, distrikan’Arivonimamo,

 ireo delegasiona izay notarihin’ny tale jeneralin’ny fisorohana ara-pahasalamana na “DGMP” niaraka tamin’ireo solotenan’ireo mpiara-miasa aminy. Nisy arak’izany ny fizarana ireo fitaovana izay entina miady amin’ny valanaretina ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana toy ny aroloha, arotava, arotanana sy arokiraro sy kiraro,Blozy. Hisy koa ny fizarana ireo fanafody entina mandray an-tanana sy mitsabo ireo marary. Eo ihany koa ny fitiliana ireo olona izay ahiahiana hitondra ny tsimokaretina, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray avy eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka omaly. Niato, araka izany, ny ady amin’ny valanaretina Coronavirus dia tonga indray ity ny ady amin’ny pesta.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT