Fahasalamana

Ady amin’ny pesta ao Andoharanofotsy Mitety fokontany manentana ny mponina ny polisy kaominaly


  • Alatsinainy 13 Novambra 2017

Tsy amin’ny vanim-potoana fisian’ny valanaretina pesta tahaka izao ihany fa irina haharitra sy mandavan-taona mihitsy ny asa fanadiovan-tanana ho an’ny kaominina Andoharanofotsy Atsimondrano.

Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Ranirison Hasina dia  nohatevenina tamin’ny alalan’ny fidinan’ny polisy kaominaly eny anivon’ny fokontany  mihitsy ny hetsika hanentanana ny vahoaka amin’ny fahadiovana.  Fokontany roa hatreto no efa vita ka asa tanterahin’izy ireo  ny fanaraha-maso ny fahadiovan’ny tanàna, ny trano fivoahana, ny tata-drano… Efa tena niezaka nanadio ny mponina, hoy hatrany ny Ben’ny tanàna satria  lasa avo roa heny ankehitriny ny fako  voaangona eo anivon’ny kaominina. Ezahina hotohizana sy hanjary ho fiainan’ny isan-tokantrano mihitsy ny hetsika mba hananan’ny rehetra fahasalamana. Tsiahivina fa  trangan’aretina pesta miisa 12 no hita teo anivon’ny kaominina Andoharanofotsy tamin’ity taona 2017 ity. Efa sitrana avokoa ireo narary, misokatra ho an’ny rehetra ny tobim-pitsaboana.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT