Fahasalamana

Ady amin’ny kitrotro Zaza 7 tapitrisa no hovitaina vaksiny


  • Alarobia 16 Janoary 2019

Notanterahina teo anivon’ny Primatiora teny Mahazoarivo omaly 15 janoary ny fivoriana mikasika ny valanaretina Kitrotro izay notarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian,

 

 

 niarahany tamin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny firenena Malagasy sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ny minisitera voakasika. Kendrena ho 95% ny tahan’ny fanaovana vaksiny ny zaza ao anatin’ny efa-bolana ho avy, ka mitotaly 7 tapitrisa ny tanjona. Efa misy ny paikady napetraka, hoy ny fanjakana. Nohazavain’ny praiminisitra fa maro ny distrika no voakasiky ny valanaretina kitrotro ary efa miditra amin’ny dingana voalohany amin’ny fanentanana fanaovana vaksiny isika izao, ka hitohy hatramin’ny volana aprily izany. Fomba roa no hampiasaina, dia ny fijerena ny tarehimarika ahafahana manana fitaovana hijerena ny fivoaran’ny valanaretina, ny faharoa dia ny fanatsarana ny lafiny serasera, indrindra ny fandresen-dahatra amin’ny fanaovana vaksiny, izay hiarahana miasa amin’ireo ray aman-dreny, Tangalamena, sekoly sy ny tompon’andraikitra ao aminy. Hojerena ihany koa ny mikasika ny filàna misy na eo amin’ny lafiny vaksiny na eo amin’ny lafiny ara-bola, ary nambaran’ny praiminisitra fa vonona hanampy ny mpiara-miombon’antoka na amin’ny fividianana vaksiny na amin’ny lafiny fahaiza-manao.  Miantso izy mba samy handray andraikitra tandrify azy amin’ny ezaka atao hiadiana amin’ny fipariahan’ny valanaretina kitrotro ny rehetra. Tsy hadinony ny naneho fankasitrahana ho an’ireo mpiara-miombon’antoka, mikasika ny fifanomezan-tanana sy ny fanohanana nahafahana nahatanteraka ny zotram-pifidianana. Tetsy an-kilan’izay dia nomarihin’ny dokotera Manitra Rakotoarivony,  talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamana  eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka fa ny 95 %-n’ireo ankizy miisa 220.905  manerana ireo distrika 25 no ezahina hahazo tombontsoa amin’ilay vaksiny hatramin’ny faran’ny herinandro, anisan’ireny ny eto Antananarivo Renivohitra, distrika iray izay voalaza fa  malaina indrindra amin’ny fanaovam-baksiny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT