Fahasalamana

Ady amin’ny kitrotro Hisy ny fanaovam-baksiny faobe ato ho ato


  • Alatsinainy 07 Janoary 2019

Raha miha mahazo vahana ny resa-politika eto amintsika dia misoko mangina tsy mamela mahazo ihany koa ny aretina kitrotro.

 

 

Tany amin’ny renivohitry ny faritra atsinanana ohatra ny faran’ny herinandro teo dia fantatra fa hipoka marary tanteraka ny toeram-pitsaboana sy ny toeram-pivarotam-panafody. Ireo ankizy madinika no tena mahita faisana amin’izany izay voalaza fa efa nisy namoy ny ainy mihitsy. Ho antsika eto an-drenivohitra indray, raha araka ny fanadihadiana natao dia olona miisa dimy isan’andro raha kely no tonga manatona toeram-pitsaboana tsy miankina iray noho ny aretina kitrotro. Lasibatra hatramin’ny olon-dehibe izay nomarihin’ny dokotera Hary Rakotondratrema fa tena sarotra sitranina tokoa noho izy ireny efa reraky ny asa aman-draharaha isan’andro ka tonga ho azy avokoa ireo karazan’aretina hafa toy ny tazo, ny fivalanana…. Tsy hitazam-potsiny intsony ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka manoloana izany. Raha araka ny fanazavan’ny minisitra Rakotomalala Yoel, ny faran’ny herinandro teo mantsy dia hisy ny fanaovam-baksiny faobe iadiana amin’ity aretina iray ity, afaka tapa-bolana eo ho eo ho fanampiana ny sarababem-bahoaka. Izay hoy izy vao tonga ny vaksiny nohafarana satria tsy misy matetika ihany koa ny vaksiny sady lafo ny vidiny. Miantso ny olona rehetra mba ho avy hanao ity vaksiny iadiana amin’ny aretina kitrotro ity ny minisitra, indrindra fa ireo manan-janaka latsaky ny sivy volana.

 Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT