Fahasalamana

Ady amin’ny gripa sy ny kohoka Tokony ho tratry ny rivotra sy ny masoandro ny trano hipetrahana


  • Talata 10 Aprily 2018

Ao amin’ny trano hipetrahana, indrindra fa ny efitrano fatoriana no tena fototry ny fahasalaman’ny olona, hoy ny dokotera Fidy Bariniaina. Mihamahazo vahana ny gripa sy ny kohoka ankehitriny ka tokony hitandrina ny rehetra.

 
Tokony ho azon’ny masoandro sy ny rivotra hatrany efitrano fatoriana raha araka ny fanazavany. Tokony tsy ho be fanaka ihany koa, toerana fieren’ny vovoka no sady tsy tokony ho mandomando. Rehefa ireo fepetra ireo no voahaja hoy hatrany dokotera Fidy dia tsy tokony hatahorana loatra ny gripa sy ny kohoka, indrindra fa ho an’ny ankizy madinika  na dia ho avy tsy ho ela aza ny vanim-potoanan’ny ririnina. Ankoatra izay, hoy hatrany dokotera Fidy, dia tokony  hanao fitafiana mifanaraka amin’ny vanim-potoana misy ny tsirairay. Tokony hihinana voankazo sy legioma matetika ihany koa raha tsy latsa-danja amin’izany ny fisotroana  rano.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT