Fahasalamana

Ady amin’ny fiparitahan’ny viriosy Manana ny lanjany ny fitsaboana amin’ny zava-maniry


  • Talata 16 Jona 2020

Mbola tena ao anatin’ny ady hatao amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina COVID 19 isika ankehitriny.

 

 

 

Tsy mbola tena fantatra mazava hatreto izay fanafody tena mahasitrana tanteraka io karazana viriosy iray ity ary mbola eo am-panaovana fikarohana avokoa ny rehetra. Nampahafantatra ny maha-zava-dehibe ny fitsaboana amin’ny alalan’ny zava-maniry hiatrehana izao valan’aretina izao tetsy amin’ny CFM Ampefiloha omaly ny filoha tale jeneralin’ny vondrona JCR ny profesora Ratsimivony Jean Claude . Nambarany tamin’izany fa maro ny ezaka efa nataon’izy ireo, indrindra taorian’ny antso nataon’ny Filoham-pirenena ho an’ireo manam-pahaizana Malagasy vonona hamondrona ny heriny amin’ity ady hatao amin’ny coronavirus ity. Anisan’ny efa nanaovan’izy ireo fikarohana sy nahitan’ny mpiray tanindrazana tombontsoa ohatra ny fampiasana ireo karazam-bokatra efa hananan’izy ireo sy nanaovany fikarohana toy ny baoma fosa…. Nentiny sy nitondrany fanazavana teo anivon’ity andrim-panjakana iray ity izany omaly noho ireo mpikambana maro aminy mivezivezy mamita asa manerana ny Nosy. Fahombiazana ny fihaonan’ireo tompon’andraikitra roa tonta tamin’ny ankapobeny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT