Fahasalamana

Ady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina Nampaneno lakolosy sy nanome toromarika i Rajoelina


  • Alatsinainy 06 Martsa 2023

Nampaneno anjomara eo anatrehan’ny firongatry ny fidorohana zava-mahadomelina mahery vaika ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, nandritra ny fitsidihany ny Fitsaboana mitety vohitra na “Caravane Médicale”

omaly teny amin’ny Coliseum Antsonjombe. Ny fitsaboana mitety vohitra dia manome tolotra ara-pahasalamana isan-karazany maimaimpoana toy ny "radiographie", ny "cardiologie", ny fizaham-pahasalamana ho an'ny reny sy ny zaza, ny fitiliana ny omamiadanan’ny nono sy ny vozon'ny tranon-jaza, ny fitsaboana nify sy ny ati-vava,... Nanome toromarika manokana momba ny fampiasana ireo fanafody omena mba hifanaraka tsara amin'ireo aretina mahazo ireo marary ny Filoha. Ankoatra ireo fizaham-pahasalamana sy fitsaboana dia eo ihany koa ny fanentanana momba ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny mahalahy sy mahavavy. Rehefa nandalo teo amin’ny Tranohevan’ny OFNALAT (Office National de la Lutte Anti-Tabac) kosa dia nitondra fanairana noho ny firongatry ny fidorohana zava-mahadomelina mahery vaika ny filoha Andry Rajoelina, ka nanome toromarika hentitra satria tena tafiditra amin’ny tranga mampatahotra sy mila handraisana fepetra haingana io. Tena miparitaka be ny fidorohana ary lasa manimba ny fiarahamonina sy mamono tanora maro, raha ny nambarany. Nanome toromarika ny hanaovana hetsika, indrindra fa any Avaratry ny Nosy tahaka ny ao Antsiranana sy Nosy Be noho izany i Andry Rajoelina eo anatrehan’ny firongatry ny trafikana zava-mahadomelina miditra eto izay matetika avy ao amin’ireo nosy rahavavavy noho izany I Andry Rajoelina. Tafiditra amin’izany ihany koa I Antananarivo izay sokajiana ho ivon’ny fipariahany, ka ny tanora no isan’ny tena lasibatra. Marihina fa nanomboka ny 2021, dia firenena isan’ny nosokajian’ny “ONG Global initiative against transnational organized crime” ho fihodinan’ny trafikana zava-mahadomelina i Madagasikara.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT