Fahasalamana

Ady amin’ny fahajambana Ifandrombahana ny fitiliana maso maimaimpoana


  • Alarobia 13 Desambra 2017

Mahatratra 20.000 Ar ankehitriny ny saran’ny fijerena maso eny anivon’ny mpitsabo. Vitsiana ireo manana fahafahana ny hanao izany, indrindra fa ho an’ireo efa mitondra solomaso.

Antony nanosika ny  fikambanana Lions Sight First Madagascar handray anjara  amin’ny ady amin’ny fahajambana eto amintsika izany. Olona manodidina ny 75.000 no efa nampian’izy ireo mivantana hatramin’izay, raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana Rabenjamina Olivier. Notiliana maso maimaimpoana sy namarotana solomaso amin’ny vidiny mirary avokoa izy ireo. Ankehitriny,  sekoly ambaratonga fototra miisa telo  indray no hiasan’ny fikambanana  izay hijereny maimaimpoana ny mason’ireo ankizy madinika hahafahana miady amin’ny tsy fahitana. Hiarahan’izy ireo miara-miasa amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny AMADIA izany rehetra izany, hotronin’ny fikambanana Lions Club foibe izay mpamatsy vola azy ireo. Anisan’ny miteraka fahajambana ihany koa mantsy ny fisian’ny diabeta amina olona iray raha tsy voatsabo. Nisy omaly ny hetsika notanterahin’izy ireo teo an-tokotany malalaky ny hopitaly HJRA Ampefiloha nentina nankalazana ny andro maneran-tany amin’ny ady amin’ny fahajambana. Fitiliana ny aretina diabeta maimaimpoana, ny maso… no natao tamin’izany izay nahasarika olona marobe tokoa.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT