Mbola tsy foana ny aretina coronavirus fa mbola tena misy. Misy aza ireo milaza
fa miseho amin’ny endriny hafa mihitsy izy io saingy mbola tsy namoaka tatitra ofisialy mifandraika amin’izany kosa ny Ministera. Eo andanin’izay anefa dia efa maro ireo tsy mivaky loha intsony ka tsy manao arotava na dia mandeha mivoaka eny rehetra eny aza. Hanamafy ny fisavana ireny olona ireny ny prefektioran’Antananarivo. Tamin’ny alalan’ny lefitry ny prefen’Antananarivo, kaomisera Rakotondravaly Danielly no nampahafantaran’izy ireo izany ka nahalalana ihany koa fa efa miparitaka manerana an’Antananarivo ireo mpitandro filaminana hanenjika ireo olona tsy manao arotava. Misy amin’izy ireny no mandeha an-tongotra raha misy koa ny mandeha fiara, ary mitety ireo toerana be olona. Anisan’ny efa notetezin’izy ireo ohatra ny teny Isotry, izay nahasamborana olona 80 tsy nanao arotava , tranga niseho tamin’ny fiandohan’ny volana teo. Hitohy isan’andro izany raha araka ny fantatra ka hisy ny fisamborana ireo tsy manao arotava arahin’ny fampaovana asa ho tombontsoan’ny besinimaro.Hita ho miha mailo isan’andro amin’ity valanaretina ity ny fitondram-panjakana na dia manizingizina aza fa tsy atahorana ny hisian’ny onja faharoa eto Madagasikara.Tsy misy maniry ny hihavian’ny aretina eto mihitsy fa tokony milaza ny misy sy ny marina hatrany kosa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny fa ilay serasera tsy ampy na tsy mandeha araka ny tokony ho izy io no mahatonga ny olona sasany tsy mivaky loha ar mihevitra fa efa tena resy ary tsy atahorana intsony ny Coronavirus.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.