Fahasalamana

Ady amin’ny coronavirus 1 290 854 ny Malagasy nahavita vaksiny


  • Zoma 27 Mey 2022

Nanomboka tamin’ny nidiran’ny vaksiny hatramin’ny 15 mey 2022 teo, miisa 1 290 584 manome 4,54% amin’ny Malagasy no vita vaksiny feno mba hiarovana amin’ny coronavirus,

araka ny tatitry ny Sampan-draharaha maneran-tany momba ny fahasalamana na ny OMS. Ny antsasa-manila tamin’ny vaksiny voarain’I Madagasikara ihany no lany tao anatin’ny taona iray. Tamin’ireo fatra 4 500 000 mahery noraisintsika mantsy, ny 52% izany hoe 2 369 775 ihany no nampiasaina, raha ny fanamafisan’ny OMS. Mba hanamafisana ny fanentanana sy ny fanaovana vaksiny, mieritreritra hanokatra fanaovam-baksiny vaovao indray ny Minisiteran’ny fahasalamana ka haharitra 100 andro io. Hiditra amin’ny vanim-potoana mangatsiaka izay fotoana ahiana hiakaran’ny trangana covid-19 rahateo isika, ka mahatonga ny Minisitera naneho ny ahiahiany sy manentana hatrany ny olom-pirenena hanao vaksiny. Ankoatra io, mitohy ihany koa ny fanentanana amin’ny hanajana ny fepetra sakana. Ho an’ny taona 2022, mieritreritra hahavita vaksiny ho an’ny mponina 8 tapitrisa amin’ny vahoaka Malagasy ny minisitera. Ankoatra ny fahavitsian’ny olona vita vaksiny, isan’ny nanary vaksiny betsaka isika eto Madagasikara, raha halalinina ny antontan’isa. Hatreto aloha, mbola tsy resin’izao tontolo izao ny valaretina coronavirus na mety niha nalefaka na koa takotakon’ny ady sy ny krizy samihafa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy mbola afa-doza ny firenen-drehetra ary lohalaharana amin’izany ny firenena mahantra tahaka antsika izay tsy manana herijika firy: ara-bola, ara-pitaovana, ara-pitsaboana hiadiana amin’ny valanaretina fa mbola ny any ivelany no ianteherana. Satria ve maimaimpoana ny vaksiny hatreto dia tsy rototra ny olona sa tena tsy naharesy lahatra ny Malagasy mihitsy ny fanentanana natao ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT