Fahasalamana

Ady amin’ny aretina tazomoka Norarahana ranom-panafody ny tao Ambohijanaka


  • Alakamisy 24 Mey 2018

Mbola mahazo vahana ny aretina tazomoka eto amintsika. Raha tsiahivina, mbola nahatratra sivy ireo olona namoy ny ainy vokatr’ity aretina iray ity hatramin’ny fiandohan’ny taona ka tany amin’ny faritra avokoa ny ankamaroan’izy ireo.

  Aretina azo sorohina tsara anefa ny aretina  tazomoka sady azo tsaboina ihany koa raha tsy tara loatra ny fahatongavan’ny marary  eny anivon’ny tobim-pahasalamana. Mba ho fiarovana ny ain’ny mponina manerana ny Nosy ary dia manatanteraka ilay tetikasa CAID ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Fanondrahana ranom-panafody isan-tokantrano no hatao, izay haparitaka manerana ny Nosy mihitsy ho an’ireo kaominina notsongaina. Ho an’ny kaominina Ambohijanaka Atsimondrano manokana dia efa naharitra roa herinandro no nanatanterahana izany, hoy ny Ben’ny tanàna Alain Ratsimbazafy. Nanomboka ny fiandohan’ny volana teo ka hatramin’ny 18 mey izy io. Ny hahafahana mamono ireo moka rehetra miafina any amin’ny toerana takona no tanjona  izay nomarihiny  fa mahery fofona tokoa saingy tsy maimbo kosa. Tsy noterena ny mponina fa nierana tsara. Ora roa taorian’ny fitifirana ny rindrina  sy ny rideau dia  efa azo novohana  ny trano  ary azo hatoriana avy hatrany amin’ny alina.

 

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT