Manomboka misy tazo indray eto amintsika raha mbola tsy foana tsara akory ny Covid 19. Faritra maro manerana ny Nosy no mitaraina fa maromaro ireo mponina ao aminy no lasibatr’izany sy namoy ny ainy mihitsy, antony nanosika ny vondrona JCR hitady vahaolana.
Nambaran’ny dokotera Ratsimivony, lehiben’ity vondrona ity fa ny ady amin’ny moka ihany no tena vahaolana hahafahan’ny rehetra miaina milamina mandritra izao fotoanan’ny hafananana izao. Hamoaka vokatra mifandraika amin’izany tsy ho ela izy ireo raha ny fantatra. Karazana hydro-alcoolique izy io, fanafody vita avy amin’ny zava-maniry mampandositra ny moka ary ahosotra amin’ny vatana. Mitsaoka avy hatrany ny moka raha vantany vao mahare azy ao an-tokantrano ka tsy tamana ary tsy ahiana hanaikitra intsony, hoy hatrany ny fanazavany. Na izany aza anefa moa dia manoro hevitra ny olona mba hanototra ireo lobolobo fieren’ny moka manodidina ny tanana ihany koa ity dokotera iray ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.