Fahasalamana

Ady amin’ny aretina SIDA Ny 70 %-n’ny tobim-pitsaboana no efa misy fanaovana fitiliana


  • Sabotsy 02 Desambra 2017

Ny 0,2% amin’ny vahoaka Malagasy no efa mitondra ny tsimokaretina SIDA ankehitriny, raha araka ny tarehimarika navoakan’ny ONU SIDA tamin’ny taona 2016.

 

 Ireo eo anelanelan’ny 15 ka hatramin’ny 24 taona no tena betsaka indrindra. Nankalazaina omaly ny andro maneran-tany iadiana amin’ity areti-mandoza iray  ity sady hahatsiarovana ireo efa namoy ny ainy  ihany koa. Fantatra  fa tokony hohamafisina ny ady amin’ny SIDA manerana ny Nosy. Raha araka ny fanazavan-dRatsirarson Joséa, tale jeneraly eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka mantsy dia anisan’ny vato misakana iray tsy hahafahantsika mandresy ity aretina ity ny tsy fanaovana fitiliana sy ny fanavakavahana ny marary. Tafiditra indrindra ao anatin’ilay lohahevitra hoe : “Zoko, zonao, zontsika ny  hahazo fahasalamana” izany, hoy izy. Anisan’ny antony nampitomboana ho 70 %-n’ireo tobim-pitsaboana manerana  ny Nosy manao fitiliana ihany koa izany mba hahafahana mamongotra ny aretina hatramin’ny taona 2030. Efa manana ny paikady manokana isika eto Madagasikara ankehitriny entina mamongotra ity areti-mandoza iray ity. Efa nanomboka tamin’ny taona  2013 ny fampiharana, hifarana amin’ity taona 2017 ity. Hisy ny famolavolana paikady vaovao hoentina miatrika ny ady amin’ny SIDA vaovao indray. Nihena ny famatsiam-bola manerana izao tontolo izao hoentina miatrika ny aretina Sida. Tafiditra ao ny fihenan’ny famatsiam-bola sy ny hoenti-manana amin’ny ankapobeny.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT