Ady amin’ny aretina Kôlera

Averina ny fanasan-tanana amin’ny rano sy savony


  • Talata 06 Febroary 2024

Nandray fepetra manoloana ny mety hidiran’ny aretina Cholera eto amintsika

ny DVSSER amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Paik'ady maro no napetrany tamin’izany hahafàhana misàkana araka izay azo atao ny mety hidiran'ny aretina "choléra" eto amintsika. Anisan’izany ny fanaraha-maso ny fahatongavana sy ny fiaingana eny amin'ny seranana rehetra.Apetraka ny fitaovana fanàsan-tanana amin'ny rano sy savony na rano misy "chlore" na "gel hydro alcoolique" toy izany koa ny fanasana ny tongotra sy ny kiraro (pédiluve) amin'ny rano-misy "choléra". Ho arahi-maso akaiky isan'andro ihany koa ny trangan'aretina fivàlanana eny amin'ny tobi-pahasalamana rehetra. Hohamafisina ny fahaiza-manaon'ireo mpiantsehatra ara-pahasalamana eny anivon’ny distrika sy ny faritra rehetra amin'ny alalan'ny fivoriana amin'ny fifandraisan-davitra mivantana. Hojerena koa ny fampitaovana ary hapetraka mialoha eny amin'ny fari-piadidiana ara-pahasalamana ny fanafody hampiasaina amin'ny aretina raha sanatria misy ny tatitra fanairana hoy ny vaovao. Nambaran’ny tompon’andraikitra moa fa vonona hiatrika izay tranga mety hisy ny Ministera ary mbola ampy tsara ny tahirim-panafody.
Pati
Legende : Tahaka izao ny fepetra hapetraka eny rehetra eny !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT