Fahasalamana

Ady amin’ny aretina katarakta Notokanana ny ivon-toeram-piofanana eny Ilafy


  • Alarobia 22 Septambra 2021

Ao anatin’ny fametrahana ny tetikasa antsoina hoe Help Me See Madagascar izay hifarimbonan’ny fikambanambe Amerikanina Help Me See sy ny Poliklinika eny Ilafy ary ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka

 ho fanatevenana amin’ny ady amin’ny aretin’ny maso, Katarakta, dia notokanana omaly teny amin’ity toeram-pitsabona eny Ilafy ity ny ivontoeram-piofanana hanatsarana ny fomba fiasa fitsaboana izany aretina izany. Ny orinasam-pifandraisan-davitra Orange Madagascar kosa no miantsoroka ny lafiny fampiasana ireo tekinolojia ara-pifandraisan-davitra mifandraika amin’izay fitsaboana izay rehetra, raha ny fanazavana voaray. Ahitana fitaovana hanaovana sarim-pandidiana izay natao haharitra 8 taona ity toeram-piofanana ity ary tafiditra ao anatin’ny tekinika Amerikanina Manual Small Incision Cataract Surgery (MSICS). Tanjona ao anatin’ny 3 taona ny hamoaka mpiofana miisa 120 mba hahafahana mampitombo avo 3 heny ny fandraisana ireo mararin’ity aretina ity na koa manao ny fandidiana. Raha notombanana ho 387 isa amina mponina miisa 1 tapitrisa no afaka noraisina isan-taona teo aloha teo dia tanjona ny handray 1000 isa aorian’izao andiam-piofanana izao, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT