Fahasalamana

Ady amin’ny aretina homamiadana Hanampy antsika i Inde


  • Alakamisy 16 Mey 2019

Tonga nanatitra ny taratasy maniraka azy ho masoivohon’i Inde eto Madagasikara tetsy amin’ny lapan’Iavoloha omaly alarobia 15 mey , ny ambasadaoro vaovaon’ity firenena ity, Abhay Kumar.

 

 

 

Ny lafiny fahasalamana, ny angovo, ny fambolena ary ny fanabeazana no tena ho votoatim-piaraha-miasan’ny roa tonta manomboka izao raha ny tatitra avy amin’ny seraseran’ny prezidansa. Nampahafantarina tamin’izany fa hisy atsy ho atsy ny masinina fitiliana homamiadana hanampian-dry zareo indianina antsika entina hiadiana amin’ity aretina mahafaty ity. Hisy koa ny injeniera miisa 2 hanome fiofanana momba ny fampiasana ireny fitaovana fisarihana angovo amin’ny alalan’ny herin’ny masonadro ireny ho an’olona miisa 600 hatramin’ny fiafaran’ny taona 2019. Hisy injeniera miisa 2 toy izany koa ho avy hanampy antsika amin’ny fampiofanana momba ny fambolena. Noraisin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, taorian’izay koa moa ny ambasadaoro vaovaon’i Polaonina miasa eto amintsika, Jacek Bazanski. Ho azy ireo indray kosa dia ny hanitatra ny fiaraha-miasa eo amin’ny tontolon’ny famokarana lavanila no tena mahaliana azy. Mieritreritra ny hanampy amin’ny alalan’ny famatsiana milina ilaina amin’ny fambolena koa anefa izy ireo, raha ny tatitra voaray hatrany. 

 

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT