Fahasalamana

Ady amin’ny areti-mifindra Nanolotra laboratoara mandehandeha ny Amerikanina


  • Zoma 20 Septambra 2019

Tafiditra amin'ny ady atao amin'ny areti-mifindra ny famatsian’ny fanjakana amerikanina,

 

amin'ny alalan'ny Sampandraharaha Amerikanina misahana ny fampandrosoana Maneran-tany na ny USAID ny laboratoara mitety vohitra vaovao hanaraha-maso sy hiadiana amin’ny fihanaky ny areti-mifindra eto Madagasikara. Ity laboratoara ity izay mipetraka ambony fiara tsy mataho-dalana, hampiasain’ny Institut Pasteur de Madagascar (IPM) ho fanohanana ny asa fanaraha-maso sy fiadiana amin’ny areti-mifindra ataon'ny minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka. Mitentim-bidy 200.000 dolara io laboratoara io, izay ahitana fitaovana tena raitra, ary afaka mandeha amin’ny lalan-dratsy. "Ankehitriny ireo mararin’ny pesta sy valan'aretina hafa dia hahazo fizahana sy fitsaboana sahaza haingana dia haingana. Efa voaofana avokoa ireo teknisianina sy mpamily ary vonona ny hiasa ity laboratoara mitety vohitra ity”, hoy ny Mpanolotsaina Voalohan’ny masoivoho amerikanina, Atoa Stuart R. Wilson, nandritra ny lanonam-panokanana natao ny alakamisy 19 septambra 2019 tao amin'ny IPM. Nanatrika ny lanonana ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Pr Julio Rakotonirina sy ny solontenan’ireo mpamatsy vola, ka anisan'izany ny solontenan'ny Masoivoho frantsay eto amintsika sy ny solontenan'ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS). Miara-miasa akaiky ny USAID, IPM, PSI ary ny minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka amin'ny fanaraha-maso ny areti-mifindra sy ny fikarohana momba ny fahasalamam-bahoaka. Ny taona 2017, mandritra ny fihanaky ny valan’aretina pesta, no tsapa fa tena ilaina ny laboratoara mitety vohitra. Izy ity dia hanao fisedrana sy analizy microbiolojika ary fanadihadiana any amin’ny faritra lavi-toerana. Hanamora ny fanadihadiana mikasika ny fihanaky ny areti-mifindra koa izy, toy ny tazomoka, ny pesta sy ny kitrotro. Amin’ny fahafahany mitety vohitra sy mamantatra haingana ny otrikaretina, ity laboratoara ity dia fitaovana manampy ny laboratoara lehibe, toy ny Centre National de Référence et Centre Collaborateur OMS manampy ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fanaraha-maso ny areti-mifindra mety hisy. Raha misy trangan’areti-mifindra ahiana dia afaka miasa haingana ny laboratoara, ary manao fizahana biolojika eny an-toerana mba hanamarinana ny fitiliana epidemiolojika, izay hampihena ny fotoana ilain’ny tompon’andraikitry ny fahasalamana hametrahana ny fepetra mahomby tokony horaisina haingana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • Mpox eto Madagasikara
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tafakatra 2139 ny tranga

  • AMBOHIJAFY FENOARIVO-MANDRITSARA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Tovovavy maromaro tratran'ny ambalavelona

  • Fahasalaman’ny zaza eto
  • Talata 14 Aprily 2026

Madagasikara

  • Vaksinin’ny IMPOX
  • Alarobia 08 Aprily 2026

eto Madagasikara Tsy tratra ny tanjona,

  • Sehatry ny fahasalam-bahoaka
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Ireo antony telo mampitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT