Fahasalamana

ADY AMIN’NY ARETINA SIDA Misokatra ny fifaninanana tantara an-tsary


  • Alarobia 01 Martsa 2017

Mitohy hatrany ny ady amin’ny aretina SIDA, indrindra fa ny fanilikilihana ireo efa voa ho an’ny fikambanana Omasave.

  Amin’ny alalan’ny fifaninanana tantara an-tsary na bande dessinée indray no hanohizany ny hetsika izay   hiarahany amin’ny fikambanana Tantsary.  Efa manomboka ny fisoratana anarana raha hifarana ny 15 mey ho avy izao kosa.  Azo  raisina hatrany ao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely ny antontan-taratasy mifandraika amin’izany, raha araka ny resaka nifanaovan’ny mpikarakara tamin’ny mpanao gazety omaly. Natao ho an’ny rehetra ny fifaninanana. Tsy voatery hiompana amin’ny resaka SIDA ihany koa anefa, hoy Randriamanantena Vololona, mpandrindra ankapobeny eo anivon’ny Omasave fa rehefa manentana sy mampianatra ny olona handresy ny henatra sy  hanao fitiliana ary hitsabo tena dia efa mety. Tanjona moa ny hahafahana mandresy tanteraka ireo karazana kodiarana enina ao anatintsika olombelona na ilay antsoina hoe : KHFFFAR izay  ahitana ny tahotra sy  ny henatra ho an’ny marary, ny fandavana sy  ny fanavakavahana ho an’ny manodidina,  ny fidonanam-poana, ny asa ratsy ary ny kitra izay tena mamono haingana sy vetivety tokoa raha oharina amin’ny SIDA izay efa mahazo ny Malagasy 4.000 isa ankehitriny.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

KandidĂ  miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT