Fahasalamana

Adin’ny amin’ny Pesta Miasa mafy ny BMH


  • Sabotsy 30 Septambra 2017

Anisan’ny aretina iray voaresaka matetika tato ho ato ny aretina Pesta. Ankoatra ireo toerana voalaza fa nahitana izany dia mbola voakasika hatrany isika eto Antananarivo renivohitra.

Raha araka ny fanazavan’ny  dokotera Durand Darys Herivonona, dokotera iray eo anivon’ny BMH  Isotry   ( Bureau Municipal d’Hygiène) mantsy dia Boriborintany roa eto an-drenivohitra ihany no tsy nahitana tranga nampiahiahy dia ny Boriborintany fahatelo sy ny faha-efatra.  Manerana ny Nosy kosa dia nambarany fa  nahatratra 104 ny tranga nampiahiahy ka  ny 21 no teto an-drenivohitra saingy trangam-pahafatesana iray ihany no nahazoana fanamarinana avy amin’ny Institut Pasteur fa tena  pesta no nahafaty azy. Tsy mitsahatra ny mandraraka ranom-panafody sy manentana ny isam-batan’olona araka izany ity sampandraharaha iray ity. Misy karazany roa moa  fandrarahana ranom-panafody izany raha tsiahivina dia ny fanondrahana ranom-panafody famonoana mikraoba amin’ny alalan’ny fanafody HTH raha eo ihany koa ny fandrarahana fanafody  famonoana ny bibikely toy ny  parasy. Nahatratra roa ny razana efa nalevin’ny BMH hatreto.


Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT