70 000 no "séropositifs"

Miha tanora hatrany ireo voan'ny SIDA eto


  • Alakamisy 02 Mey 2024

Mihatanora hatrany ireo olona mitondra ny otrik’aretina Vih/SIDA eto amintsika.

Ankoatra ireo zaza mbola any am-bohoka dia 15 taona no zandriny indrindra ka vehivavy no maro an’isa. Miisa 70.000 isa izy ireo manerana ny Nosy izany hoe : 1 amin’ny 10 ka ireo tanora fanahy no tena betsaka indrindra . Raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia noho ny fanaovana firaisana ara-nofo amina olona maromaro no antony tena mampirongatra ity areti-mandoza ity eto amintsika ankoatra ny fifampikasohana amin’ny alalan’ny ra. Tsy nitazam-potsiny fa tonga nitety toerana maromaro nanentana ny tanora ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka vokatr’izany. Ankoatra ny teny amin’ny oniversiten’Ankatso dia toerana maromaro teto an-drenivohitra no notetezin’izy ireo nampahafantarany ny voka-dratsin’ny fananana olon-tiany maromaro sy ny fihafaran’ny olona mararin’ny SIDA izay tsy maintsy mandao ny tany ihany rehefa tsy mahalala ny toe-pahasalamana sy tsy mitsabo tena raha sanatria ka voa. Hatreto mantsy dia mbola 17.500 amin’ireo 70.000 isa ireo ihany no manaraka fitsaboana sy arahi-maso eto Madagasikara fa ny ankoatra izay dia mbola mandehandeha mamindra amin’ny hafa any avokoa. Tsy adinon’izy ireo araka izany ny nanentana ny tanora mba hanao fitiliana raha vantany vao mahatsapa tena fa nanao firaisana ara-nofo tamin’ny olona maromaro ka mahatsiaro ho hafahafa ny toe-pahasalamany. Mijanona ho tsiambarantelo ho an’ilay mpitsabo sy ilay marary ihany ny valiny hoy izy ireo fa tsy misy atahorana.
Pati
Legende : Amin’ny alalan’ny fitiliana tahaka izao ihany no hahafantarana fa mitondra ny otrik’aretina Vih SIDA ny olona iray !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT