Fahasalamana

300 mahery no matin’ny kitrotro Tsy homby intsony ny hopitaly


  • Alarobia 20 Febroary 2019

Nanomboka ny alatsinainy lasa teo hatramin’ny 22 febroary izao ny andiany manaraka amin’ny fanaovana vaksiny hiadiana amin’ny kitrotro.

 

 

Toerana hanaovana izany any Matsiatra Ambony, Antsohihy, DIANA,… izay lasibatra. Etsy an-kilany, raha ny tatitra nivoaka ny herinandro lasa teo, dia efa tafiakatra 312 ireo olona namoy ny ainy noho ity valan’aretina ity, raha toa ka 6661 no efa narary. Tsy dia ahenoana maty na olona voa firy ny renivohitra sy ny manodidina, kanefa tena mandripaka izy io any amin’ny faritra, ka ny tany Ambilobe, ohatra, dia 86 na mihoatra aza no efa namoy ny ainy. Any amin'ny faritra SAVA dia tena mampikolay sy mampivarahontsana ny zava-misy, toy ny any Ampanefena, distrikan’i Vohémar satria tsy antonona intsony ny toeram-pitsaboana, ka feno marary hatreny an-tokotany. Tena olana ho an’iny faritra Avaratry ny Nosy ihany koa ny lalana, ka mananosarotra ny famatsiana ny fanafody. Tamin’ny tapatapak’ity volana ity no tonga tany amin’iny ilany avaratry ny Nosy iny ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, ka navoaka ireo fiarabe fanomezan’ny fanjakana Japonais tamin’ny andron’ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina, hopitaly mandehandeha na “Clinique mobile” nireharehan’ny filoha ankehitriny fa ho ezaka ataony ka tonga dia miasa sy mandray andraikitra izy. Nolazaina fa maimaimpoana ny fitsaboana ny kitrotro kanefa ny tena zava-niseho tany Antsiranana, dia nisy fananararaotana nitakiana vola manomboka amin’ny 3000 Ariary araka ny fitarainan’ny olona. Manomboka misy fitarainana ihany koa any amin’ny faritra Bongolava mahakasika izay fitakiana vola izay.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fahasalamana

  • AMPASINAMBO
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

IFANADIANA

  • KARAZAM-PANAFODY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

MIPARITAKA AMIN’NY FACEBOOK

  • Ifanadiana
  • Talata 22 Septambra 2026

Nanamafy ny fisiana valanaretina ny Minisitera

  • Dimby Tsinjotiana,
  • Talata 15 Septambra 2026

mpitsabo nentim-paharazana nandritry ny 20 taona

  • Ady amin’ny SIDA
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Nahomby ny SYCAVI

  • Sehatry ny Fitsaboana
  • Zoma 11 Septambra 2026

Kandidà miisa 38 mifaninana

Hijery ny tohiny
FTT