Niampy 6 be izao ny olona vaovao voatily fa mitondra ny coronavirus omaly zoma, ka mampiakatra ny isa ho 117.
Ny 3 tamin’ireo 6 dia avy eto Antananarivo:Lehilahy 23 taona, vehivavy roa izay 41 taona sy 18 taona. Ireo 3 any Antsinana dia vehivavy 18 taona sy lehilahy roa 35 sy 41 taona. Tsy nisy olona sitrana omaly, fa mijanona ho 33, ka 84 izany no mbola tazonina sy tsaboina any amin’ny hopitaly. Tsy nahitana fahasarotana lehibe ihany koa ireo marary ho an’ny omaly. Vokatry ny fifampikasohana avokoa no nahavoa ireo 6 vaovao, izay midika fa efa tena eny amin’ny fiarahamonina ny valanaretina coronavirus. Ny tena manahirana amin’izy ity rahateo, dia izy tsy miseho mivantana, ary ireo olona miseho amin’ny endrika salama na iza na iza, dia mety ho efa misy ilay tsimokaretina sy afaka mamindra avy hatrany.
Lojikan-javatra
Mitohy mandritra ny 15 andro indray nanomboka omaly ny hamehana ara-pahasalamana mihatra eto Madagasikara, fanapahan-kevitra lojika raha mandinika ny tarehimarika voalaza etsy ambony. Samy velom-panontaniana ny rehetra hoe midika ho fihibohana tapa-bolana indray ve izany, dia hanao ahoana ny fiainana. Misy ny volabe 444 tapitrisa dolara avy amin’ny mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka, izay tombanana ho misy ampahany hiantohana ny fihibohana ny fandaniana azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.