Mivoaka iny ny laharan’ny kandida ao anaty biletà tokana amin’ny fifidianana. Samy manana ny ambarany sy ny fandikany sy ny fandokadokafana io laharany io ny kandida.
Zary lasa hamoronana heviny avy fa tsy mijanona amin’ny maha tarehimarika azy intsony. Tsy hifanomezan-tsiny loatra ! Ny an’ny sasany anefa toa teren-ko masaka toy ny voalobo-jaza hitovy sy hifandray amin’ilay tenin’ny Soratra Masina noraisina ho teny faneva amin’ny politika, kanefa tsy arakarak’izay ny zavatra natao sy atao eto amin’ny firenena. Rehefa avy nanongam-panjakana sy nandentika ny firenena tany anaty kizo, ary nosazian’ny firenena mikambana mihitsy dia mbola sahy milaza ihany fa nesorina tamintsika ny famatsiam-bola, ny fitokisan’ny iraisam-pirenena fa ny fitiavan-tanindrazana no tsy azo nesorina tamintsika. Taiza no nisy olona tia tanindrazana nampandoro ny fananan’ny mpiray tanindrazana tamin’ny tena izany na inona na inona tsy fitovian-kevitra ? Zimbazimbaina ny tenin’Andriamanitra, eny fa hatramin’ny hiram-pivavahana avy aza moa efa lasa hirain’izy mianakavy amin’ny politika, ka mifangaro ny kisoa sy ny vorona, hoy ny fitenenana. Samy manana ny fomba fiadiny tokoa io, ary samy hampalaza ny nomeraony amin’izay indray izany izao. Raha ny hevitra sy ny kobaka am-bava aloha, dia samy tsy misy atoro voanjo hadiana. Raha ny tantara sy asa vita ho an’ny Malagasy no hifampitsarana ny nanangana sy namotika sy nandrodana, dia hiavaka mazava tsara eo ny vary sy ny tsiparifary !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.