Mipetraka ialahy dia mijery!",
hoy ny fitenin'ny tanora ankehitriny rehefa manoloanana tranga mivaona amin'ny neritreretin'ny sainy izay. Miteny an'io koa nefa izy rehefa sendrana tranga tsy ampoizina na mahavariana ao anaty fiarahamonina toy ireny trangam-piarahamonina maro mpiseho isan'andro eto amin'ny firenena ireny. Andaniny izany, raha ny tao anatin'ny 7 andro farany no resahina, dia teo ny raharaha Ambohimalaza, izay ankoatran'ny hoe mbola tsy nampazava ny raharaha namoizana ainana mpiray tanindrazana miisa 35, dia naneho tamin'ny ampahany endrim-piarahamonina malagasy izay nofintinin'ny namana mpanao gazety sy mpamakafaka iray izay hoe nifantoka tamin'ny resaka "vola, vody, voninahitra", raha vantanina. Raha hazavaina amin'ny fomba mihaja kokoa kosa dia hoe rehefa zohiana ny fizotran'ilay fitsaràna dia hita ho mifototra amin'ny resaka fitiavam-bola, filàn'ny nofo, fitiavana rehareha na laza sy voninahitra no niteraka ireny zava-doza nitranga ireny. Tetsy ankilan'izay, lafiny politika kosa, dia iny niaraha-nahita iny indray ny tranga toa tsy vaovao fa ny olona mpanao azy fotsiny no nifanakalokalo teo teny amin'ny antenimieram-pirenena teny? Tsy hoe niova ihany toy ny mahazatra loatra fa nifanakalokalo fotsiny rehefa tena hiverenana jerena. Tao dia nifanongakongana tao indray dia misy mivoaka kely milaza hoe tsy manaiky nefa ao anatin'izany rehetra izany mandeha ihany ny mandeha, hoy ny lasa filaza mahazatra izay. Mipetraka hatrany ny fanontaniana hoe inona moa izany no mba zava-tsoa efa nentin'ny toy izany teto amin'ity firenena ity? Mba efa nampandroso an'i Madagasikara ve izany, nisy fotoana? Eto isika mipetraka aloha izany dia mijery amin'izao fotoana izao, araka ny teorian-dry zareo anglisy hoe "Wait and see!", "Here and now!"!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.