Edito

Zesta sy resaka no betsaka


  • Talata 13 Janoary 2015

Handray andraikitra e ! Tsy avela moramora foana e ! Tsy maintsy hotratrarina ambodiomby ireo mpanao trafikana boaderôzy eee…

! Efa ela ihany no nandrenesana izay teto fa hatramin’izao aloha dia mandeha ihany ny fanondranana ity hazo sarobidy ity any ivelany. Efa misy izao ny sambo hita fa mitatitra boaderôzy, avy eo lazaina fa tsy hita tampoka. Misy tokoa ireo tratra sy voasambotra, saingy hatreto aloha dia ireo irakiraka fotsiny no tratra fa tsy nisy ireo mpanefoefo sy atidoha mikotrika ity trafika ity mihitsy voasambotra sy notsaraina ary nogadraina. Somary nahatsikaiky ihany ilay fihetsiky ny solombavambahoaka roa sy ny minisitry ny tontolo iainana omaly. Nampiaka-peo ery fa hisy ny fepetra horaisina ary efa misy ny paikady napetraka hanatrarana ambodiomby ireo mpanodrana boaderôzy any Mananara Avaratra. Moa ve tsy tonga dia nandre avy hatrany iny vaovao iny omaly ihany ireo olona voakasik’izany ka tsy ho hita popoka indray avy eo ? Nahoana raha nosamborina aloha izay vao be resaka sy nampita vaovao ? Tena fandraisan’andraikitra marina ve ireny sa fihetsiketsehana teknika sy sinema fotsiny mba hanapenana ny mason’ny vahoaka sy entina ilazana fa hoe : tena miasa tokoa izahay ? Nahoana no bolabolana boaderozy miisa 70 000 no tafavoaka an’i Madagasikara tamin’ny taona 2014, kanefa ny 25 janoary 2014 dia hentitra ny fanambaran’i Hery Rajaonarimampianina fa hahery vaika ny ady atao amin’ny fandripahana ny harem-pirenena, anisan’izany ny aferana boaderôzy ? Ny zavatra tahaka izany no mahatonga ny ankamaroan’ny olona milaza fa toa resabe fotsiny ity hoe ady atao amin’ny boaderôzy ity fa raha ny tena marina dia miroborobo fatratra ny afera ary maro ny olona ambony sy mpanefoefo mahazo tombontsoa avy amin’io.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT