Tsy hiova hevitra intsony ny FAT fa dia hanohy ny fandaharan’asany. Izay no fahitan’ny olon-tsotra ny zava-misy ankehitriny.
Sarotra ny miresaka sy mandresy lahatra ny ankolafy Rajoelina, fa dia izay eritreretiny ihany no marina, fa diso daholo ny an’ny hafa. Natao ny karazana hetsika, fitakiana, fidinana an-dalambe, nijoro ny mpitondra fivavahana namaky bantsilana ny tsy rariny sy ny tsy marina, nifandimby namoaka fanambarana ireo firenen-dehibe mifandray amintsika ny amin’ny tokony hiverenana amin’ny fifampiresahan’ireo ankolafy efatra, miala tsikelikely eto Madagasikara ireo orinasa vahiny, mitombo isan’andro ny tsy an’asa, nilatsaka ny sazy. Tsy nampihetsi-bolomaso an’i Andry Rajoelina sy ny FAT anefa izany rehetra izany, ry zareo indray aza izao no hanasazy ny mpitarika ireo antoko mpanohitra sy mety handroaka masoivoho vahiny sasantsasany mihitsy aza, hanehoany fa tsy matahotra izany sazy izany ry zareo. Raha izao no fandehany dia hiroso amin’ny dingana manaraka indray ity resaka fanasaziana ity. Raha ny fanambaran’i Ramtane Lamamra, filohan’ny filankevitra misahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina dia mety hisy koa atsy ho atsy, ny orinasa eto Madagasikara hosaziana, ary mety mbola hiampy koa ny lisitr’ireo 109 mianadahy. Ny Frankôfônia (OIF), etsy an-danin’izay toa manao teny hafahaha ihany, ary hita soritra fa tsy hanaraka ny fehin-kevitry ny Vondrona Afrikanina. Toa vao mainka aza mampirisika ny FAT hanatanteraka ilay fifidianana faran’izay haingana indray ity OIF ity, tsy lavitr’izany tetika rehetra izany ny Frantsay.
Manampy izay miondrana tsy manam-pitsaharana ny bois de rose any amin’iny tapany avaratra atsinanan’ny Nosy iny, orinasa frantsay no mandefa sambo hitatitra izany, ny ketrika hafa any ambadika amin’izany mbola marobe. Dia sanatria ve marina ny filazan’ny olona sasany fa tena hivarotra ny haren’i Madagasikara ambongadiny amin’i Frantsa i Andry Rajoelina? Fantany ve ireny zava-mitranga momba ny hazo sarobidy sy ny harena ankibon’ny tany ireny? Raha fantany ilay izy dia inona no antony tsy handraisany fanapahan-kevitra haingana? Aiza ho aiza ilay hoe fitiavan-tanindrazana nodradradradraina sy natao hirahira teny an-kianja, herintaona mahery kely lasa izay? Dia ahoana koa ilay tenin’i Andry Rajoelina hoe tsy misy afaka mibaiko ahy na manodina ny eritreritro, sa hafa mihitsy ny famaritana ny fitiavan-tanindrazana aminy? Na inona na inona ambara, dia miha mahantra ny vahoaka sy ny firenena, ary miha mahazo vahana ny asan-jiolahy. Tsy afa-miala fa tompon’andraikitra feno amin’izany ny tetezamitan-dRajoelina, izay nampianatra ny olona ny «résolution par la force» ny sandry no miteny, ny basy no mibaiko… Soa ihany fa mbola hendry, hatreto aloha, ireo tsy mankasitraka ity fitondrana ity ka tsy mamaly ratsy ny ratsy, na dia zaza maditra tsy andairan-kapoka aza no manoloana, fa raha sanatria miova hevitra izy ireo, dia ... asa fotsiny izay hiseho eto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.