eto amin’ity firenena ity fa nisy
nifofo ny ain’ny filoha? Ity filohan’ny fanavaozana ity nahenoana izany fa na tamin’ireo mpitondra teo aloha ihany koa aza dia matetika nahenoana fa notandindonin’izany fikasàna ratsy hamono azy ireo izany. Na filoham-panjakàna io na filoham-pirenena ary ny Kolonely Richard Ratsimandrava aza moa maty novonoina tokoa tamin’ny fotoan’andro. Tranga fototra lehibe teo amin’ny tantara izany rehetra izany ary ampy haneho hatreto fa mbola betsaka no mila alamina eto amin’ity firenena ity! Ny filohan’ny fanavaozana mivady moa izany io dia inoana hatreto fa ny fiarovan’izy ireo ny ainy aloha no tokony ho laharam-pahamehana aminy. Mety hisy hilaza hoe fitiavan-tanindrazana tena izy izany hamoizana aina kanefa ho atolo-potsiny ny mpanani-bohitra kosa aza ve izany ny aina? Ilay na ireo olona mpamerimberina izany ve ary tena sahy mamoy ny ainy ho an’ny tanindrazany tokoa? Adihevitra tena manahirana teto amin’ity firenena ity hatry ny ela izany ary mampahatsiahy hatrany ny tononkiran’ilay mpanakanto iray izay foana ny zava-miseho nifandimby, indrindra, tato anatin’ny 17 taona farany, hoe «Samy kopy fa mody mitapy» isika io! Samy mahalala daholo fa mbola misy endrika fangejàna na hoe «colonisation» ataon’ny frantsay amin’ny endriny vaovao hatreto eto amin’ilay firenena. Maro koa, ankoatran’izay, ireo firenena matanjaka hafa manana ny fomba fanereny ireo izay nifandimby sy mbola mifandimby mahazo fahefàna eto sy teto mba hahafahan’izy ireo misitraka ny tombontsoa tokony ho an’ny vahoaka malagasy. Niainana teto amin’ity firenena ity nandritry ny taon amaro izany ary voalaza ho fototr’izany aza ny zava-nisy hatramin’ny andron-dRadama tamin’ny alalan’ilay antsoina hoe «Charte Lambert», izany hoe, nanomboka faha mpanjaka, nitohy taty amin’ny fitondràna frantsay ary hatramin’izao repoblika fahaefatra kasaina ovaina izao. Manampy trotraka moa ity resaka forongony voalaza ho tsy mety fongotra anaty fitondràna mijoro hatramin’izao ity satria dia hoe lasibatry ny antsoina hoe «Capture d’Etat» i Madagasikara hatramin’izay nidiran’ny tanaty repoblika izay, izany hoe, misy karazana taranaka mpambotry firenena hatramin’izay tsy maintsy mitohy mandray fahefàna eto hatrany mba hamotika ity firenena ity. Na inona na inona nefa ao anatin’izany heverina ho diso sy marina dia ny hita sy ny azo antoka hatrany aloha dia ny hoe mbola betsaka no mila alamina!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.