Zava-misy tsy azo ihodivirana

Zava-misy tsy azo ihodivirana eto amin’ity firenena


  • Alatsinainy 04 Desambra 2023

ity amin’izao fotoana izao ny atao hoe lonilony politika. Na ho hirahirain’ny andaniny isan’andro aza nolanian’ny maro

an’isa, eny, ny vahoaka malagasy mihitsy, dia niaraha-nahita niharihary ny tarehimarika fa tamina mpifidy voasoratra manodidina ny 11 tapitrisa dia manodidina ny 2 tapitrisa monja no nandany fanindroany ilay filoham-pirenena nolazaina foana fa mamim-bahoaka. Kandida tokana tamin’ny 12 isa no nanontrona azy tao amin’ny HCC, raha nambara tamin’ny fomba ofisialy ny fahalaniany ny herinandro teo. Teny amin’ny CENI aza moa tsy nisy mihitsy. Tsy mbola nisy hatramin’izay naha Madagasikara an’i Madagasikara angamba ny toy izany! Hatramin’ny vondrona iraisampirenena aza toa tsy manana antoka na “assurence” fa hilamina vetivety ity toe-draharaha ity, hany ka ireny hita ho nanao fanehoan-kevitra misabaka sady nilaza ho nanaiky ny vokatra nefa koa sady niantso fifampiresahana ireny. Dia io iaraha-mahita io ny kivorivory etsy sy eroa. Rehefa tsy miaraka amin’ireo herivelona ato anatiny dia miaraka amin’ireo sehatra iraisampirenena samihafa. Ho hita eo moa ny tohiny fa ny hirariana dia ny hivoahan’ny tena vahaolana faran’izay haingana hatrany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT