Edito

Zava-doza


  • Alatsinainy 29 Febroary 2016

Zary lasa efa mahazatra ny mandre fa nisy fitsaram-bahoaka indray, hono, tary na tatsy, ary raha vao misy ny jiolahy tratra na olona heverina


fa nanao ratsy na nahavanon-doza teo anivon’ny fiarahamonina, dia lasa fomba fiasa tonga ao an-tsain’ny olona avy hatrany ny hoe : ny maso solon’ny maso ka alefaso aty izany jiolahy izany hanaovanay azy. Tsy sanatria fiarovana ny mpanao ratsy fa tsy mety ary tena sazian’ny lalàna ny fitsaram-bahoaka. Lasa mitovy lenta amin’ilay jiolahy nanao ratsy ihany koa ny olona rehetra mandray anjara amina fitsaram-bahoaka ka mikasi-tanana sy mamono io jiolahy io. Ny tena loza dia sahy manafika tobina zandary sy miditra an-keriny amina kaomisaria mihitsy ny olona fa hoe hamoaka jiolahy mba hodarohana, ary matetika moa dia maty io fa tsy misy hoe maratra izany fotsiny. Hampikorontana tanteraka ny fiarahamonina ity fitsaram-bahoaka ity ary ny tena loza dia mety hiafara amina adim-paritra na adim-poko ilay izy. Manana adidy goavana hikaroka vahaolana amin’ity tranga ity ny rehetra dia ny fitondram-panjakana, firaisamonim-pirenena, ny fiangonana ireo raiamandreny sy olobe isam-paritra, ny fokonolona satria loza mitatao ho an’ny firenena io ary fitaovam-piadiana mahomby mety hampiasain’ny sasany ampiadiana ny samy Malagasy. Tandremo fa zava-doza, tsy fifanomezan-tsiny no tadiavina fa vahaolana mahomby !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT