Edito

Zava-bita ratsy indrindra


  • Alarobia 31 Oktobra 2012

Krizy ny firenena izao, ary manomboka manaikitra ny isan-tokantrano ny tsy fahampian’ny vola.

 Ny Malagasy moa dia tafiditra ao anatin’ireo olombelona voasokajy fa tena ambany fari-piainana indrindra eto ambonin’ny tany. Efa nisy ihany ny dingana mankany amin’ny fiovana vita teto, tamin’ny fitondrana teo aloha izay fitondrana hita fa nanana fandaharanasa tena matotra tamin’ny alalan’ny MAP na Madagasikara Am-Perinasa. Teo ihany koa ny fametrahana ireo karazana rafitra isan-karazany tsy maintsy ilaina raha hiditra amina toekarena mivoatra kokoa sy maharaka ny zava-misy manerantany. Natsangana, ohatra, ny Bianco hoenti-miady amin’ny kolikoly, napetraka koa ny EDMB hanentanana ny famoronana asa sy ny fiantsoana ireo mpampiasa vola avy any ivelany.

Nampiana ny tantsaha tamin’ny alalan’ny fizarana masomboly sy zezika. Napetraka ny rafitra LMD teny amin’ny ambaratonga ambony mba hanara-penitra ny diplaoma eto Madagasikara ary hitovy lenta amin’ny any amin’ny firenen-drehetra. Namboarina sy nohatsaraina ny lalana efa ho 10 000 km manerana an’i Madagasikara. Tsy hoe nahafa-po ny rehetra ary tonga dia nampanankarena ny Malagasy tsy akory ireny asa rehetra natao ireny, fa kosa fototra niaingana mba hampisondrotra ny toekarena, hampitombo ny asa sy ny vola, nampiarahana tamin’ny tetikasa manokana hanatevenana ny fahaiza-mitarika (Leadership) sy ny fanovana toe-tsaina. Nisy ny olona tena be fanakianana aok’izany ny amin’ny nanaovana ireo asa notanisaina teo ireo; saingy rehefa tena jerena sy dinihana ny zava-misy amin’izao fotoana dia tsapa fa tena nilaina ireny zavatra napetrak’i Dada ireny mba hampirindra kokoa ny asam-panjakana sy hampihetsiketsika ny sehatra tsy miankina ary hampazoto ny vahiny hiara-miasa amintsika.

Voahaja kokoa ny lalàna sy ny fitsipi-pifehezana tamin’ireny fotoana ireny, ary na nisy ihany aza ny be vinany dia hita fa misy ny asa vita, maro ny zavatra niova sy nihatsara kokoa. Ankehitriny ambara fa hoe andron’ny fanovana, kanefa tena fanapotehana ny firenena no hita, ary ny mpitondra dia toa variana amin’ny zavatra manaitra ny maso fotsiny, toa mbola ny fizarana vary sy menaka ary T-Shirt kely hambaboana ny fon’ny olona mba handrotsa-bato ho an’ny tena any amin’ny fifidianana ihany no mahamaika ny sasany. Toa mahazo laka, tsy mbola nisy tahaka izany ny fanamparam-pahefana sy fampiasana ny fitaovam-panjakana ho an’ny tombontsoa manokan’ny mpitondra sasantsasany. Raha atao ny salanisa dia nandritra izao tetezamita izao angamba no niorenana “villa” ho ana manampahefana sy mpanao politika be indrindra, ary tena nampiroboro ny karazana trafika rehetra fahita eto an-tany, toy ny toaka, rongony, vatosoa, volamena, hazo sarobidy, eny hatramin’ny olona aza. Malaza ratsy i Gasikara satria toa fitondrana be sandry no misy eto, be resaka fa ao anatin’ny efa-taona fifidianana kitoatoa iray no mba vita. Ka inona moa izany fa tsy dia tena nomontsanin’ny FAT ny zava-bita ratsy indrindra tamin’ny fitantanana tetezamita maneran-tany e !

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT