Edito

Zatra ny làlan-dririnina!


  • Zoma 03 Mey 2019

Ezahina ahena ny vesatry ny fanjakana. Esorina ny mpiasa tsy raikitra any amin’ny minisitera samihafa (ECD) mba hampihenana ny vesatra ka tsy maintsy mifehy kibo.

 

 

Nanesorana 10 miliara ariary ny tetibolan’ny antenimierandoholona izay 33 miliara raha ny nambaran’izy ireo lasa 23 miliara, kanefa raha ny nambaran’ny filoha dia 42 miliara ariary. Matetika tapaka ny famatsiana solika ho an’ny famokarana herinaratra izay manaporofo ny tsy fisian’ny vola. Ny orinasa CNaPS izay mikirakira volabe tsy hametrahana Tale jeneraly kanefa mailaka ery nanala ny teo izay midika fa mety fandrobana vola an-kolaka ao,… Tamin’ny tetezamita, nisy tahirim-bola vahiny 2 miliara dolara latsaka kely tao amin’ny Banky foibe, tsy afaka nanatanteraka fifanarahana avo lenta momba ny fitrandrahana harem-pirenena nahazoana volabe tamin’ny orinasa Wisco nahazoana 200 tapitrisa dolara fa ny 100 no nanaovana fanambarana, ny Toliara Sands tany Toliara ny 2012,… Tsy maintsy mandalo fankatoavan’ny Parlemantera toy ny tetikasa Faritra ara-toekarena manokana (ZES) ireny. Tamin’ny tetezamita no tena nanjaka ny fanondranana harem-pirenena, toy ny boaderozy  izay mety loharanom-bola. Raha vantanina ny resaka, diso be vava loatra Atoa Andry Rajoelina, mihevitra an’ireo filoha teo alohany ho “vendrana” ka milaza fa izay tsy vita tao anatin’ny 58 taona ataony 5 taona. Nanamaivana ny teo alohany tamin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola mahazatra ao anatin’ny “Bretton woods” kanefa io tena nitady hirika sy faly ery nahazo 392 tapitrisa dolara nohamafisina tamin’ny fandraisana ny filohan’ny Banky Iraisam-pirenena David Malpass teto, izay tsiahivina fa tamin’ny andron-dRajaonarimampianina no efa noresahina, ary mitohy ankehitriny. Famarotana tanindrazana sy fifanarahana avo lenta no mety ho vahaolany, toy ny fitadiavana lalana amin’ny Tiorka, Rosia,…

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT