Edito

Zatra fihetsiketsehana


  • Alatsinainy 21 Martsa 2022

Asa aloha na efa izao na tsia no tonga amin’ilay antsoina hoe “population paralysée” na vahoaka tsy mahasaina sy mahahetsika intsony manoloana ny zava-misy mandifotra azy an-davan’andro fa hita ho toy ny zary tsy mivaky loha

 intsony amin’ny raharaham-pireneny ankehitriny ny ankamaroan’ny Malagasy mbola nisafidy hijanona eto amin’ity Madagasikara ity na tsy manan-tsafidy koa fa voatery mijanona eto. Mahagaga ihany raha mbola haheno olompirenena hiteny amin’izao fotoana izao fa tsy tra-pahasahiranana na koa mbola sahy hilaza fa mandroso ho amin’ny tsaratsara kokoa ny fiainany ankehitriny noho ny ezaky ny fitondrana mijoro. “Iza no mbola mahita fa milay izao fiainana eto an-tanana izao?”, hoy ny fitenin’ny tanora izay. Mety amintsika ve io vidin’ny filana an-davan’andro jifaintsika isan’andro io? Mety amintsika ve ilay zanantsika miha mitombo isa mitsoaka an-daharana any an-tsekoly satria tsy zakan’ny ray aman-dreniny intsony ny saram-pianarany, eny, na ny saram-pidirany any akory aza? Nahavaha ny olantsika ve ny fanovaovana mpikambana anaty governemanta efa in-4 izao? Afa-po tamin’izany ve isika? Tena nahita fa niova tokoa ve izany? Maro ny fanontaniana tiana apetraka ary tsy sanatria koa isarihana ny sain’ny olom-pirenena hikomy na hidina an-dalambe toy ilay mampatahotra lava ny mpitondra miakatra eto anefa izany fa hampisaina ny vahoaka sy ny mpitondra mihitsy hoe rahoviana ihany isika vao mba hanaraka ny dian’ireo firenen-kafa afrikanina niala tamin’ny politika mahazatra azy hitany hatrizay fa tsy nahomby ka hiditra amina politika tena maty paika ary misy rafitra mazava mifanaraka amin’ny filana misy eto hanarenana ity firenena ity? Fanontaniana mipetraka ho an’ny rehetra mihitsy io na mpitondra na olom-pirenena tsotra. Hita ho lasa zatra fihetsiketsehana amin’ny endriny rehetra sisa ity isika mianakavy. Ny mpitondra zatra fihetsiketsehana hampisehoana fa midina ifotony foana na dia hita fa firenena farany mahantra indrindra eto ambonin’ny tany hatrany aza hatramin’izao no vokany. Ny vahoaka izay isoloan’ireo sendika sy fikambanana samihafa tena moa dia matetika manao fihetsiketsehana eny an-tokontany sy manoloana andrim-panjakana eny, hany ka vahaolana mandalo mifanaraka amin’izany hatrany koa no azo avy eo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT