Edito

Zarazarao hanjakana


  • Alakamisy 18 Febroary 2016

Fa inona indray ary ity ? Io no fanontaniana tsy afaka am-bavan’ny maro raha nandre ny raharaha momba ny filohan’ny Fjkm.


Vetivety dia niparitaka ny resaka satria olona manana ny maha izy azy sady malaza no voakasika. Ka izay indrindra no somary nahagaga tamin’ny filazan’ireo polisy hoe :  tena tsy fantatray ianao tompoko ka aleo manaraka anay any amin’ny birao. Tsy ivalamparana be eto ny zava-nitranga fa ny hany somary nanaitra dia nahoana no aty amin’ny fotoana manakaiky ny Synoda lehibe tokoa no mitranga tampoka izao raharaha izao ? Amin’izay raiamandreny am-panahy manana ny anjara toerany eo amin’ny Fiangonana sy ny fiarahamonia ary ny fiainam-pirenena  no resahana eto fa tsy sanatria jiolahy mpanao ratsy. Na ahoana na ahoana paikadin-tserasera atao, mba tokony hisy fetrany ihany kosa fa tsy manao sangy mihoatra ny loha tahaka izao. Sa ve mitombina ny siosion-dresaka ny amin’ny fisian’ny hetsika fanaratsiana sy fanalam-baraka atao amin’ity mpitondra fivavahana ity mba hampihena ny isam-bato mety ho azony rehefa raikitra ny fifidianana any amin’ny Synoda lehibe ? Mety fomba fiady ihany koa hampizarazarana ny Fjkm ny tranga tahaka izao mba hampalemy azy !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT