Edito

Zanaka voatorotoro


  • Zoma 09 Jona 2017

Mitokona ny sendikan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola izay avokavoky ny fitsinjarana ireo vola fampandehanana ny raharaham-pirenena sy ny ain’ireo « mpiasam-bahoaka ».

Nanomboka ny azy koa ry zareo avy eo anivon’ny sendikan’ny mpitsara sy ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fitsarana mihitsy raha efa nampilaza fa hampiato ny asany hatramin’ny anio. Ny eny amin’ny anjerimanontolo eny moa tsy hita be eny ihany, hoy ilay langalangan’oha-pitenenana izay fa dia dindonina savorovoro lalandava amin’ity resaka vatsim-pianarana sy rafi-pampianarana ary karama sy tambin-karaman’ireo mpikaroka miha sadasada mandavan-taona ity. Sorona hatrany anefa ireo mpianatra mba maniry ho avy mamiratra na inona na inona hetsika mitranga eny. Ny vahoaka hatrany ihany koa, mazava ho azy, no voatorotoro rehefa misy ny fitokonana tahaka izao satria dia olom-pirenena mila mikarakara taratasy sy te handamin-draharaha haingana eo amin’ny tany sy ny fireneny. Ny fitondram-panjakana sy ireo mpiasam-panjakana no miady ka ilay vahoaka lazaina fanjakana ity no lasa zanaka voatorotoro.

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT