Edito

Za-dratsy


  • Alakamisy 25 Novambra 2010


Inona indray ary no hitranga ato ho ato ? Izay indray zao no fomba fiteny malaza eto an-drenivohitra, izay hita fa manomboka miha zatra mahita miaramila mirongo fitaovam-piadiana mivezivezy eran’ny tanàna. Tahaka ny zava-doza ny fieritreretana izany hoe miaramila iray kamiao misava tranon’olona izany roa taona lasa izay, saingy efa tranga mahazatra izany ankehitriny satria tsy maintsy misy isan-kerinandro. Herintaona lasa koa izay dia nampisavoritaka sy nampisahotaka ny fahitana harona sachet mainty na kitapo misy baomba vita tanana mipetraka amin’ny zoron-drindrina na tao anaty dabam-pako, saingy tsy dia mampiraika ny olona firy intsony izany amin’izao fotoana, na dia tena mipoaka aza ny sasany tamin’ireo baomba nisy teto an-drenivohitra tato anatin’ny telo herinandro izao.

Tsy azon’ny saina noeritreretina roa taona lasa izay izany hoe mpanao politika manana ny maha izy azy, samborina dia herinandro aty aoriana tsy mbola fantatra marina izay misy azy. Zary efa fomba fanaon’ny manampahefana anefa io fomban’ny mpitondra jadona sosialista, nampalaza ny Sovietika io amin’izao fotoana. Tsy vaovao manaitra intsony koa ankehitriny ny hoe zaza tsy hita, na olona hita faty tetsy sy teroa satria efa tranga mahazatra hita an-gazety isan’andro. Ary na mahita sy mahafantatra tsara ny halatra be vava atao amin’ny volam-panjakana aza ireo mpiasa any anaty ministera any dia tsy sahy miteny, na miteny ihany saingy tsy misy misy mpihaino satria efa izay izao no mahazatra, samy maka ho azy tsinona izao ! Ny lakrimôzenina moa dia efa lasa ody am-bavafo sy ody sery ho an’ny eto an-drenivohitra, indrindra fa ho an’ireo tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra. Ka lasa ny eritreritra eto ny amin’ny hoe zatra manao ratsy ve, zatra hanaovan-dratsy ve sa zatra mahita zavatra ratsy ramalagasy no tsy mihontsona intsony amin’ireo zava-dratsy mitranga manodidina azy intsony ? Dia efa Za-dratsy mihitsy angamba ka tsy afaka mamantatra ny tsara intsony. Fa misy kosa anefa ny zavatra ambaran’ny olona etsy sy eroa fa tsara amin’izao fotoana izao, tahaka ny hoe migrevy kely sy mampiantso mpanao gazety dia mahazo fisondrotan-karama avy eo. Na koa manao sinema dia mahazo volabe, fa mody migadra kely aloha, ny sasany aza moa tsy nionona tamin’ny fahandroan-tsakafo intsony fa nirotsaka mihitsy amin’ny filalaovana sy famoronana sarimihetsika mihitsy.

Misy koa ireo milaza azy ho mpilalao sarimihetsika no mitaky tsotra izao ny hanoloana ny mpitarika ny OMDA fa tsy mahavita azy, hono, dia io fa mitady hizara ho ankolafy indray koa ny mpanakanto sy ny artista, tsy hay intsony na sinema na tena izy. Ny ao ambony koa moa tsy misalasala mihitsy manome toky sy mampanantena, ka dia izay mangataka dia mahazo e ! Ireo atleta sy mpanao fanatanjahantena moa dia ketrika mihitsy fa sady mahita tany any ivelany no mahazo vola be, na resy io na maharesy. Raha zaza no tahaka izany dia atao hoe be fihantana, ary ny ray aman-dreny manatanteraka ny sitrapony no mahatonga azy ho za-dratsy. Dia hoy ny be vazivazy hoe mety ho izay koa anie no mampitarazoka ny krizy e ! Mifantoka be loatra any amin’ilay mahafaly sy mahafinaritra ny rehetra fa tsy mikaroka izay mahasoa. Io ilay hoe sady te hihinam-be no tsy te hiasa mihitsy, za-dratsin’ny ariary zato am-pandriana e !

 
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT