Edito

Vovon’alika !


  • Zoma 14 Jolay 2017

Ambentin-dresaka any anaty haino aman-jery isan-karazany saika ho isan’andro ny fanaratsiana an’i Marc Ravalomanana amin’izao fotoana izao.

Ny hazo avo tokoa angamba halan-drivotra fa dia samy miteny izay teneniny izao bodo sy adala rehetra izao, ka sesilany ny fandotoana eny hatramin’ny fanompana aza efa tsikaritra ho malalaka. Omena mikro any amin’ny haino aman-jery mpanohana ny fitondrana avokoa na goaika antitra tompondakan’ny famadihana palitao sy efa mitsinjo ny fahanterany na ireo milaza ho mahay sy mahafehy ny atao hoe politika, saingy ataon’ny olona fihomehezana vokatry ny rediredin’ny jamban’ny fankahalana sy toy ireny alika tsipazana taolana ireny, raha vao raviravizan’ny fanjakana kanosa vola kely, ka dia tsy tompon’ny tenany intsony. Hatramin’ny mpanao politika efa bobongolon’ny ora sy ny fotoana sy efa nanompa an’ingahy Hery Rajaonarimampianina tamin’ny hoe soavaly be tongotra tsy misy ilana azy aza, dia nifoha tamin’ny torimasony indray, ka niverina nisolelaka sy nanao toy ny ririnin-dasa tsy tsaroana. Kabary tsy valiana ny ankamaroan’ireny rehetra ireny ary ny zava-misy ankehitriny dia toy ny vovon’alika         sy ny fiherongerony.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT