Edito

Vorondolo miseho andro !


  • Alakamisy 27 Aprily 2017

Raha ny fanakianana sy ny ozona mahazo ny fanjakana HVM noho ny kolikoly sy ny fampanjakana ny tsimatimanota eto amin’ny firenena no mandaitra,

dia efa tsy misy taolan-kalevina avokoa izy rehetra, saingy mbola minia manao be marenina sy tsy te hahalala aloha satria mbola be ny vola sy harena azo tamin’ny tsy rariny ary eo am-pelatanana ny hery sy fahefana. Lany henatra ka tsy te hahalala izay vavam-bahoaka any na efa mijoro ho fahavalony aza izao tontolo izao, ka toy ny vorondolo miseho andro sisa ny fanjakana HVM satria izay miteny dia saika manameloka ny fanjakan-jiolahiny avokoa. Aiza ve ka efa ny fitsarana, ny mpampianatra mpikaroka, ny masoivoho vahiny no mijoro manohana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fampanjakana ny tsimatimanota kanefa tsy taitra sy tsy rototra ny mpitondra ankehitriny. Miandry inona vao hilavo lefona ny mpambotry firenena sy mpanao kolikoly, ka mba ho foana sy levona ny fanjakan-jiolahy ? Ny erikerika mahatondra-drano, ka na ho ela na ho aingana tsy maintsy ho fongotra ihany ny fanetriben’ny tany sy ny fahavalom-bahoaka e !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT