Edito

Vorona azon’adala


  • Zoma 26 Febroary 2021

“Hena an-tanan-tsaka ve dia…?” nalaza io fehezanteny izay safidy ny tsy hanohy azy io ho amin’ny anio

 

 

 mba hisaintsainan’ny maro ny tena toe-tsaina novolena ho fomba fitondrana ny fanjakana nanomboka tamin’izany fotoana izany, 12 taona lasa izay. Vonona ny hiaro ny sezany amin’ny fomba rehetra ny mpitondra, hoy ilay antoko politika iray izay. Niaraha-nahita ary mbola iaraha-mahita daholo ny tranga rehetra tao anatin’izay 2 taona mahery izay, indrindra, moa nanomboka iny sabotsy 20 febroary 2021 iny. Samy nahitana sy nahenoana izay heverina ho faniratsirana daholo avy amin’ny andaniny sy ny ankilany saingy miverina mipetraka indray izany ankehitriny ny fanontaniana hoe tsy hitanila ve ny fanapahan-kevitra? Aorian’ny fiverimberenana karazam-panontaniana toy izany indray ve vao ho voaantso atao fanadihadiana ny avy eo anivon’ny “ekipan’ny fitondrana”? Tena nantsoina tokoa aza ve izy ireny sa mody nantsoina mba hilalaovana serasera fa tsy mitanila ny fitondrana ary vonona hiatrika dingana ara-dalàna ireo mpanaradia azy fa ny mifanohitra amin’izany kosa no ataon’ireo mpanohitra. Na toy ny ahoana na toy ny ahoana aloha filaza dia vavolombelon’ny tantara ny tranga ny sabotsy teo ary na dia efa fantatra aza ny valiny dia aleo ihany mamerina manontany hoe nanaraka ny fenitry ny famaritana ny atao hoe “demokrasia” ny fanapahan-kevitry ny fitondrana tamin’iny? Zavontany ireo mpitandro filaminana nahetsika teto Antananarivo hanakanana olona naniry hihaino tatitra momba ny fiainam-pireneny. Niarahan’ny maso nahita fa fitaovam-piadiana fampiasa amina tany miady avokoa no nahetsika tamin’ireny fotoana fitakiam-bahoaka tokony ho “demokratika” tamin’ny herinandro ireny. Ny tany Toamasina aza moa bala nahafaty avy amin’ireo mpitandro filaminana mihitsy no nanala ainana mpianatra. Ny taona 2009 no nalaza ny hena an-tanan-tsaka saingy ny hirariana aza dia ny hoe enga anie mba tsy ho sanatria amin’ity ho toy ny voron’azon’adala indray ny fanjakana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT