Edito

Voromanga sy vorondolo


  • Alatsinainy 13 Septambra 2021

Tsy finiavana hanakiana be fahatany, na fitia hitanisa ny tsy mety! Ekena fa maro tokoa ireo zava-bitan’ny Fitondram-panjakana ankehitriny ary sarotra ny hiteny fa tsy miasa sy tsy nanao na inona na inona izy ireo.

 Na iza na iza fitondrana nandalo teo, samy mba nanao izay vitany, samy mba niasa araka izay mety tratrany sy ny fari-pahatakarany. Ny vokatra no mety ho tsy mitovy satria tao ny mety haingam-pandeha kokoa, tao no mety lasan-ko vavany toa haron-tabebaka,… Any amin’ny laharam-pahamehana sy ny vokatra eo amin’ny lafiny rehetra no hitarafana an’io fa tsy fisehosehoana manaka-danitra kanefa ny vokatra hita taratra amin’ny fiainan’ilay firenena tsy mba tsapan’ny olom-pirenena. Ny manahirana ankehitriny, dia efa tena lavitr’izany etika politika izany ny ankamaroan’ireo manampahefana manomboka any amin’ny faran-tampony. Tsy hanaiky ho diso mandrakizay fa hanadio tena mandrakiva, fatra-panenjika sy manakiana ny efa tsy eo, sasatry ny manilika ny tsy fahombiazana na tsy fihetezana any amin’ny mpifandrina, toa tsy mahatoky ny fahefana efa azo ka lany andro manenjika ireo heverina fa mety hisongona ny tena,… Raha tena mahatsapa tena ho niasa sy nahavita azy araka ny andrasan’ny vahoaka aminy ny Mpitondra tsy hanan-tahotra kely akory amin’ny hoavy. Terena ho ambadika politika izao zava-drehetra izao rehefa midona amin’ny rindrina kanefa mijabaka vokatry ny fahatokisan-tena diso tafahoatra, simba noho efa fiheveran-tena tsy ho maty manota satria miantehitra mafy amin’ny fahefana eo an-tànana ka ny hanao tsindry bokotra no masaka an-doha. Tsy manana etika sy deontolojia intsony, ka na efa migoka fahafaham-baraka aza tsy mba mahay mipitrapitra sy manetry tena fa mbola avo vava ihany. Betsaka ny mieritreritra fa misy ny “mandrakizay”, hany ka tsy mieritreritra hoe: mba ahoana no hiafarana? Misy fetrany ny zava-drehetra, ary misy foana ny mena ambonin’ny mena. Kodiaran-tsarety ny fiainana, ka ny ambony mety ho lasa ambany, ary ny ambany mety ho lasa ambony, ka fahadisoana be ny fiheverena fa tsy ho tratry ny aloka mihitsy na manao ny tsy mety aza. Tsy rehefa ianao akory no misioka satria ianao mety mieritreritra fa tompon’ny fahefana sy afaka manangan-tsandry hatreto dia voromanga foana, fa rehefa ny hafa dia vorondolo mandrakariva,
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT