Navesabesatra ity herinandro ity raha ny raharaham-pirenena no resahana.
Teo aloha ny fifanolanana eo amin’ny Tiko sy ny fanjakana amin’ny alalan’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostrian’Antananarivo momba ny tany misy ny Magro ankorondrano izay niafara tamin’ny fanakatonana io toerana io mihitsy moa omaly. Teo amin’ny sehatra politika dia nibahan-toerana ny raharaha Lylison-Ravatomanga, samy voasava trano, karohana fatratra mba hadihadiana. Trangan-javatra tsy dia mahagaga firy intsony satria efa tena nisafidy ny fampiasan-kery sy ny fampiasana ny fahefana eo am-pelatanany ny fitondram-panjakana HVM. Ny olona ao aminy aza moa misy efa voailika sahady, roa taona aty aorian’ny nitsanganan’ny antoko, mainka fa olon-kafa ety ivelany. Inoan ary no mety ho tohiny e ? Tena niketrika fanakorontanana na fanonganam-panjakana tokoa ve ny senatera Lylison sy ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga sa niharan’ny vela-pandrika sa tena namoronana dosie tsotra izao mba hisamborana sy hampanginana azy. Ny NOTAM no nampalaza ny fitondrana tetezamita, nanakanana ny fiverenan-dRavalomanana teto. Ankehitriny kosa dia ny IST na tsy fahafahana mivoaka an’i Madagasikara indray no fomba fiasan’ny fitondrana HVM. Tafody teto ihany ary mipetraka eny Faravohitra i Marc Ravalomanana, ka asa hoe ho tonga hatraiza indray ity fisavana trano, sy famoahana IST ity, moa ve tena sahy hisambotra azy mirahalahy ireto tokoa ny fitondram-panjakana sa manao vono vorona fotsiny ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.