Vonjimaika tokoa angaha!

Miverina miha mafy dia mafy


  • Zoma 07 Novambra 2025

indray ity ny fahatapahan’ny rano,

indrindra, ny herinaratra. Ny rano moa izany, soa ihany, hoy ireo mpiara-monina, fa mba misy ny latsaka avy any an-danitra ao anatin’izao fahavaratra izao. Ity fahatapahan-jiro na herinaratra, raha ny marimarina kokoa, ity kosa dia tsiahivina indrindra fa tao anatin’ny fototry ny tolona nanomboka ny 25 septambra teo niaraka tamin’izay resaka rano izay. Izany hoe olana mikasika ny JIRAMA, raha fehezina, no nahatonga ny fipoahan’ny krizy nitarika hatramin’ny firodanan’ny fitondràna Rajoelina. Vonjimaika tokoa angaha ny fitondràna ankehitriny ary tsy nanam-po handray an-tanana ny firenena, hany ka tsy manana zotra tena mazava hahafahan’ny firenena mivoaka ao anatin’izao krizy lalina mihatra aminy izao. Na izany na tsy izany anefa, raha ny fijery anatin’ny antsoina hoe baikom-pitolomana ho an’ireo izay isan’ny nitolona nanomboka iny 25 septambra iny, dia sarotra ny tsy hisaotra ireto miaramila nandray fahefàna ireto, eny, ny foloalindahy manontolo mihitsy, satria isan’ny very hita indray lehibe izay irariana mba ho marin-toerana amin’izay eto amin’ity firenena ity aloha, ny fahalalahana maneho hevitra. Raha ny karazana fanapahana sy didy nivoaka tato ho ato koa, raha ny hita ivelany aloha, dia tsy ho afa-bela izany manomboka eto ireo neverina ho tsy maty manota rehetra teto amin’ity firenena ity. Nalàna tamin’ny toerany ireo neverina fa tsy nahomby tanaty fitantanana toy ny tao anatin’ny minisiteran’ny toekarena sy fitantanam-bola, ohatra. Neverina ho fanapahan-kevitra tsy azo nihodivirana ihany koa ny fanalàna ireo tale misahana ny fanabeazana isam-paritra na DREN. Fanontaniana isan’ny mipetraka moa ny hoe tena izay ve no olan’ny fanabeazana eto Madagasikara? Mitazana hatreto ny ankamaroan’ny olompirenena ary heverina hoe mihari-pery mihitsy sao tahiany ho lalana mankany amin’izay fanovàna izay tokoa izao diavina izao. Miandry vahaolana tena azo tsapain-tanana sy mampiseho ny tena fanovàna marina hatreto!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT