Edito

Vonjimaika hatrany


  • Talata 08 Febroary 2022

4.311.800.000 ariary mahery no totalin’ny vola mikasika fanodikodinana fiaram-panjakana tao amin’ny CNLS izay sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny aretina SIDA eto amintsika, rah any vokatry ny fanadihadian’ny

 sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC, raha ny fantatra omaly. Tsy sambany amin’ny resaka fanodikodinam-bola mahoraka teto amin’ny firenena tao anatin’izao fitondrana izao io. Efa hain’ny mpanara-baovao tsianjery ny resaka “bonbon sucette” sy ny “écran plat” na koa “panier garnie”. Io miara-manao tantara mitohy amin’ity resaka SIDA ity koa izao ny raharaha mikasika ny minisitry ny fitsarana izay efa misy manome anarana mihitsy moa hoe “Imbikygate” ao amin’ny tambazotran-tserasera ao ary dia resaka volabe hatrany no mankadilo sofina heno ao anatin’izany rehetra izany. Tsy any amin’ny resaka hoe nataony sa tsy nataon’ireny olona voatonotonona anatin’izy ireny loatra angamba no tena maha menatra sy maha sorena amin’ny maha olompirenena maheno ireny rehetra ireny fa ilay izy miharihary mihitsy sy maneno ao an-tsofina hoe izany lalaovin-drizareo izany ny volam-bahoaka! Hetra terena alohako sy alohanao ary mba iandrasanao fatratra izay mba tamberin’andraikitra avy amin’ireo mpitondra. Toa tsy mahagaga intsony ankehitriny, ary azo lazaina mihitsy aza hoe tao anatin’ny 13 taona izay, ny mahita arabe feno tara “bonbon voanjo” eran’ny tanana. Toy izany koa ny mahita tafona fotodrafitram-panjakana zakan’ny rivodoza na kianja lazaina fa manara-penitra nefa dibo-drano rehefa misimisy kely fotsiny ny orana. Hita mazava ho vonjimaika hatrany ny asa rehetra misy sy mipetraka tao anatin’izay fotoana izay ary ny fiainam-bahoaka no mampibaribary ny fahamarinan’izany. Marary ny maheno an-drizareo vahiny miteny ny firenenao hoe “firenena farany mahantra eto ambonin’ny tany” kanefa atao ahoana moa ny handiso izany raha toa ka aty amin’ny taonjato faha 21 ny firenenao no mbola misy fotoana miaina ny zava-nisy tamin’ny faraparan’ny taonjato faha 20 araka ilay tononkira tamin’izany hoe “ny jiro tsy mandeha, telefaonina tapaka”? Ny 90%n’ny olompirenenao miha miditra hatrany anaty fahantrana lalina kanefa dia mbola hikirizana hatramin’izao ny vahaolana vonjimaika hatrany mba tsy hilazana hoe vonjy tavanandro araka ny fahitan’ny mpamakafaka hafa azy ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT