Voninahitro no lehibe indrindra!

Rehefa mitady voninahitra dia adino ny fahombiazana,


  • Alakamisy 14 Septambra 2023

hoy ny kandida ho filoham-pirenena, Tahina Razafinjoelina izay.

Nalaza tao anatin’ny 5 taona moa ny voambolana hoe werawera. Isaky ny mitokana foto-drafitrasa izao na ireo tokony hitsorana hoe fitohizan’asa aza ny ankamaroany dia nolazaina hatrany fa raha tsy ity fitondrana ity na koa hoe raha tsy ny filoha hajaina Andry Rajoelina dia tsy vita izy ity. Lazaina hatrany fa tsy nisy nijery afa-tsy ity fitondrana ity. Hita ho nezahana nofafana daholo ny vitan’ny teo aloha rehetra fa dia nolokoina ny lokon’ilay fitondrana farany teo avokoa mihitsy. Hatramin’ny soratra hoe “Gara fisandratana” aza hita ho nesorina. Fa dia inona loatra no antony? Firaisankina sy fifankatiavana no noventiventesina hatramin’izao nefa toa ny mifanohitra tamin’izany hatrany no natao? Nogadraina ireo tsy nitovy hevitra. Novonoina ny anarana sy ny zava-bitan’ireo nodimbiasina. Adino ireo namana niara-nampita, hoy ny nambaran’ilay depiote sady mpihira iray izay raha ambara amin’ny fomba mihaja. Hatramin’ny lalàmpanorenana aza izany izao tsy narahana fa dia nahilika, mba tsy hilazana zavatra hafa, koa ve ny filohan’ny antenimieran-doholona izay tokony handray izany toerana izany? Adino tokoa angamba ny fahombiazana satria dia isan’ireo firenena miisa 5 mahantra indrindra eran-tany izany aloha isika androany, araka ny fandaharan’ny sehatra iraisampirenena azy. Aiza ho aiza ao anatin’izany ilay hoe “Fitiavana no lehibe indrindra!”? Sao mba hoe “Voninahitra no lehibe indrindra!”, mba tsy hanitsiana hoe “Voninahitro no lehibe indrindra!”?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT