Edito

Volo ngita mifandray tendro !


  • Talata 13 Jona 2017

Vaovao lehibe ny nampidirana ilay ramatoa malaza tamin’ny resaka kolikoly eny Ambaniatsinanana, araka ny fomba fiteny.

Miandry izay hiseho anefa ny rehetra hoe sinema indray no miseho sa mba ho fampiharana an-tsakany sy an-davany ny lalàna velona eto amin’ny firenena. Raha ny lalàna no ampiharina dia efa ela no tanteraka, fa matoa izao vao natao, dia ao raha ! Raha manan-kambo sy vonon-kampihatra ny lalàna velona eto amin’ny firenena, ka tsy hampisy fitanilana ny fanjakana HVM, dia efa ela no nampiharana ny sazy fa matoa mbola sahy nidingin-drambo sy nijoro ho fahavalon’ny fitsarana mihitsy aza dia misy zavatra tsy mazava ao. Miandry ny rehetra hoe hijinja ny nataony ihany koa ve ireo voarohirohy sy voasaringotra ho mpiray tsikombakomba aminy sa dia hoe hijinja samirery ny heloka niaraha-nanao ity olo-malazan’ny taona 2016 sy 2017 amin’ny resaka kolikoly ity ? Samy miandry izay hiseho ny rehetra fa raha ny resaka nalaza sy efa novoizin’ny herivelona politika maro teto amin’ny firenena, dia maro ireo tokony hiara-midoboka aminy etsy Antanimora. Na inona inona fanazavana na inona na inona fiarovan-tena na koa mbola fanararaotam-pahefana ataon’ny olona ao an-dapa ao tokony hizaka ny heloka miaraka amin’ity ramatoa ity dia tsy maintsy nisy ny volo ngita nifandray tendro tao. Dia miandry ny rehetra !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT