Volan-kankafotra

Volan-kankafotra na taotaokafa,


  • Alakamisy 12 Jona 2025

hoy ny filazantsika malagasy azy izay.

Ny eo ihany no miverina. Efa hain’ny maro tsianjery. Isaky ny misy olana izao, olana izay miverimberina hatrany toy ireny grevin’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo ireny, izao olan’ny JIRAMA izao, izao fidangan’ny vidim-piainana nefa karama tsy nisondrotra efa 5 taona mahery izao, ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fahamarinan-toeran’ny vidin-tsolika, izay antony mampahantra indrindra ity firenena ity tahaka izao dia miverimberina hatrany ihany koa ny karazam-panazavàna. Valin-teny efa miha lanin’ny vahoaka tsianjery toy ny hoe «efa eo am-pamahana ny olana izahay!», «efa mandeha ny fifampiresahana!», «efa eo am-pijerena ny vahaolana isika!», «ho fantatrareo miandalana eo ihany ny tohiny!» dia toa izany hatrany no karazam-balinteny fandre teto sy eto amin’ity firenena ity tao anatin’izay 7 taona mahery izay. Ny firenena nefa io hamarinin’ny sehatra iraisampirenena io fa miha mahantra hatrany. Mainka moa fa io nampitomboan’ny firenena mikambana io ho 3 Dolara io indray ny fetran’ny vola tokony ho any am-paosin’ny isam-batan’olona hamaritana hoe mahantra izy sa tsia!? Ny olana eto amin’ny firenena mitombo, miha tsy zakan’ny olompirenena maro an’isa saingy ny fanazavàna sy ambaran’ny fitondràna ho vahaolana avy amin’izy ireo volan-kankafotra. Na miha mivaralila tahaka ny inona aza ny tontolon’ny angovo sy fihariam-bahoaka eto amin’ity firenena ity dia tsy miova ny vahaolana fa ny kitsinjotsinjo sy fameno hatrany. Ny lazaina ho manara-penitra samihafa izay tsy mety mipaka anaty vilanim-bahoaka hatramin’izao ary ny sasany aza moa tsy tontosa ara-potoana sy arak’izay nampanantenaina akory. Io miha iarahan’ny mpanara-baovao maro mahita sy mahalala io moa ny antsipiriany mipoitra ho azy vokatr’izany rehetra izany amin’izao fotoana izao. Volan-kankafotra, volan-kankafotra hatrany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT