Edito

Volan-kakafotra !


  • Alarobia 13 Septambra 2017

Telo volana dia mivaha ny delestazy, handray andraikitra ny fanjakana, efa mandeha ny fanadihadiana, afaka telo volana dia hahita vokatra azo tsapain-tanana isika …

Ampahany amin’ny fampanantenana ataon’ny mpitondra HVM ireo saingy ny omaly tsy miova, toy ny volan-kakafotra hatrany ny tena zavatra iainana. Tsy mora tokoa ny mitondra firenena, saingy mba mila hita ny tena finiavana avy amin’ny mpitondra fanjakana, ary mila hitan’ny vahoaka fa tena miasa sy miezaka ny mpitondra na misy aza ny sakana. Feno fihatsarambelatsihy ny fihetsy ny mpitondra. Mirarakompana ny fampanantenana hakana ny fon’ny vahoaka, saingy na misy aza ny tanteraka dia afo-mololo hatrany fa tsy mba misy vahaolana maharitra ho an’ny Malagasy. Ny zava-dehibe amin’ny fanjakana dia ny hahazo olona afaka ny hamerina azy eo amin’ny seza amin’ny taona 2018, ka mandeha ny tambitamby sy lango malefaka. Miezaka mampiseho fa miasa ka mahavita mijapy masinina amin’ny asa vitan’ny sehatra tsy miankina. Ekena fa tsy hahavita fahagagana ny fanjakana, saingy ny andrasan’ny rehetra dia ny zavatra azo tsapain-tanana toy ny vidim-bary mihena, ny vidin-jiro midina, ny saran-dalana … Mbola nofinofy izany hatreto, raha tsy hoe hisy angaha ny fahagagana rehefa tena antomotra ny fifidianana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT