Edito

Volamena latsaka am-bovoka…


  • Alarobia 06 Janoary 2021

Volamena latsaka am-bovoka tsy hitan-doto, hoy ny fitenenana izay. Tsy mbola

 

 

nisy trafikana volamena nahoraka nihoatra an’ity farany ity angamba hatramin’izay nahenoana izany teto amin’ny firenena. Tsy hitan-doto tokoa ny volamena ary ny mahagaga hatrany dia mahalana ihany koa ny fahitana ireo naloto tao anatin’ireo raharaha tahaka itony. Ny an’ity farany ity moa izany izao dia mbola baraingo maro dia maro no mipetraka hatreto. Iza na iza avy no tompon’antoka? Taiza no nivoahany? Maninona no tany an-tanin’olona tany vao sarona? Vainga milanja 73 kilao mahery kanefa dia tsy nisy nahajery raha toa ka borosinify aza, hoy ny vazivazin’ny olona sasany izay, tsy tafavoakany an’io seranantsika io. Sarisary fanaon’ny Ntaolo entina ilazana zavatra mandoto moa ilay hoe vovoka ary lojikan’ny volamena izay hoe tsy hitan-doto izay na latsaka ao aza. Ny mampametra-panontaniana ankehitriny kosa dia ny hoe zary mitovy toetra amin’ny vovoka ihany koa ve izany izao ny sisin-tany sy seranana Malagasy saingy tsy vovoka manakona ny lotom-bolamena fotsiny fa manakona hatramin’ny loton’ireo mpanao trafika rehetra mandalo ao ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT