Notanterahana omaly teny Betongolo ny fanasoniavana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Samifin sy ny zandarimariam-pirenena.
Resaka ady amin’ny famotsiam-bola moa izy ity. Mandray ireo fitarainana ny Samifin, ny zandary kosa dia afaka miroso lalina amin’ny fanadihadiana. Ilaina ny zavatra tahaka izao satria i Madagasikara dia anisan’ireo firenena ahitana ny famotsiam-bola. Maro be ireo mpandraharaha vahiny sy malagasy manana vola be izay tsy fantatra mazava ny fiaviany ary manadio izany amin’ny fanaovana asa soa na famoronana orinasa etsy sy eroa. Ny samifin dia efa nilaza fa an-jatony miliara ariary ny famotsiam-bola misy eto, tena misy izany ny vola maloto mivezivezy eto Madagasikara. Zava-misy maneran-tany moa izy io fa tsy eto amintsika ihany.
Tato anatin’ny 3 taona kosa anefa dia voalaza fa niakatra ny tahan’ny fifamezivezen’ny vola tsy fanta-piaviana mazava teto Madagasikara. Nisy vola be nitobaka teto, ary olona maro no lasa mpanankarena tampoka, kanefa tsy hita izay tena loharanom-bolany ara-dalàna nahatongavana tamin’izany. Sokajiana ho vola maloto moa izay vola rehetra azo tamin’ny alalan’ny halatra, fandrobana, fanaovana trafika, ny kolikoly.
Misy eto Madagasikara daholo izany ary niroborobo hatramin’ny nisian’ny krizy. Na ny resaka halatra omby mampiroborobo ny asan-dahalo any atsimo fotsiny aza dia efa loharano mampisy ny vola maloto, tahaka izany koa ireo fitrandrahana harena ankibon’ny tany tsy manara-penitra. Hatreto aloha, mbola an-kavitsiana ihany ny olona nohadihadiana sy notsaraina ary nogadraina noho ity resaka famotsiam-bola ity. Ny Samifin rahateo rafitra natsangana vao haingana, ary tsy mbola mazava tsara ny fahefany ka maro ny olona tsy mbola mahalala ny fisiany. Sarotra ity ady amin’ny famotsiam-bola ity satria misy ny olona matanjaka, manampahefana tafiditra ao anatin’izy io. Antenaina fa hahamatotra kokoa ny fomba fiasa ity fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Samifin sy ny zandary ity, ka mba hivoaka tokoa ny tena marina ary hosaziana araka ny lalàna izay tratra mamotsy vola eto.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.