Edito

Vola avy aiza ?


  • Alarobia 21 Aprily 2010


Miverina indray ilay fanontaniana : fa avy aiza marina ary ny vola ampiasain’ny HAT amin’izao fotoana ? Manjavozavo amin’ny rehetra ny momba an’io, fa saingy noho ny hasarotan’ny fiainana sy ny sangodim-panina politika dia tsy miraika firy amin’io resaka iray io ny ankamaroan’ny olona. Azon’ny olom-pirenena fantarina tsara anefa ny vola miditra sy mivoaka ao amin’ny fanjakana, ny hetra aloan’ny vahoaka rahateo no ampiasain’ny fanjakana.       Na izany aza, efa iaraha-mahalala ihany fa anisan’ireo tsy mandoa hetra ny Malagasy, ambany dia ambany ny tahan’ny fandoavan-ketra eto amintsika. Ny entana fanondrana toy ny lavanila sy ny lodsia, natao varo-boba ary nihena be ny vola hetra azon’ny fanjakana avy aminy. Maro be ireo entana miditra eto amintsika tsy tataovan-ketra tato anatin’izao fitondrana tetezamita izao. Ny famatsiam-bola nijanona avokoa ny 95%. Ka vola avy aiza ary no ampiasain’ny HAT ? Araka ny filazan’ireo mpiasa eny anivon’ny minisitera dia efa ao anatin’ny fihafiana sy ny fitsitsiana tanteraka ireo minisitera amin’izao fotoana. Voalaza fa na ny taratasy ilaina amin’ny asa andavanandro aza tsy ampy intsony.

Misy aza amin’ireo sampandraharaham-panjakana sasany no efa tsy misy telefaonina intsony, notapahana mantsy satria tsy voaloa. Ny mahagaga anefa, hoy ny mpiasa dia mbola misy tompon’andraikitra migalabona sy manara-po amin’ny «ticket carburant» ihany. Ary na dia teo koa aza ny famerana ny fivoahana any ivelany, araka ny naoty navoakan’ny filohan’ny HAT dia misy ireo tompon’andraikitra ambony sasany no mandany vola amin’ny fitsidiham-paritra sy ny fanasana olona hisakafo amin’ny hotely faran’ny raitra eto an-drenivohitra. Sa vola avy any am-paosin’izy ireo no handoavana izany fa tsy volam-panjakana ? Raha marina izany dia avy aiza koa ary ny volabe kirakirain’ireo olon’ny fitondrana tetezamita amin’izao fotana ireo ? Alaim-panahy ihany ny olona hieritreritra fa sao dia ny volan’ny “bois de rose” ary no ampiasain’ity fitondrana tetezamita ity ? Sa tena marina ilay hoe efa nanonta vola avy any ivelany tamina kaontenera ny HAT ? Miandry ny fanazavana mitombina avy amin’ny manampahefana ny vahoaka mba hisindan’ny ahiahy izay tsy mitsaha-mitombo isan’andro, noho ny tsy fisian’ny mangarahara !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT